Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Famelaberan-kevitra ho fanitarana ny seranan-tsambo
  Nisy tsy nankasitraka asa fanitarana
  Atrik’asa fanitarana ary fakan-kevitra amin’ny fanitarana ny serantsambon’ny Toamasina ankoatra ireo dia nisy ihany koa ny fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ny vokatra azo amin’izao fanitarana ny saranantsambon’ny Toamasina.
Ireo rehetra ireo izay nanasana ireo tompon’andaikitra maro teto Toamasina sy ireo tangalamena ary ny mpanao gazety sy ny fikambanana eto antampon-tanana’ny Toamasina renivohitra. Hahariritra 7 taona ny asa fanitarana ary hanomboka ny taona 2016 ity tetik’asa fanitarana ity izay vinavinaina ho vita amin’ny taona 2023.
Tafiditra ao anatin’ity tetik’asa fanitarana ity ny toerana fametrahana kontenera izay mirefy 25ha, misy ihany koa ny toerana fiantsonan’ny sambo na ny Quai izay halavaina ho 345m, misy ihany koa ny fandalinana ny alalin-dranomasina ho 16m raha 12m ny alalinany ankehitriny. Araka izany dia ny governemanta Malagasy sy fiaraha-miasa aminy firenena Japonais no enty manana hanatanteraka ny asa fanamboarana, fantatra arak’izany fa mahatratra 300 000 000 euros no teti-bidy ny asa fanitarana.

Asa goavana no ho tanteraha amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina. Isany niteraka ady hevitra tamin’izao atrik’asa ity ihany koa ny resaka fiarovana ny tontolo iainana ka isan’ny voatointohina amin’izany fanitarana izany seranan-tsambo izany ny grand recifs corallienne izay manome sakafo ireo trondro any anaty ranomasina any.

Ahiahiana ny fisian’ny fivangongoan’ny fasika amin’ny fotoana anaovana ny fandalinana ny ranomasina sy ireo toerana mety ho kaon’ny riaka. Nilazana anefa i Atoa RANAIVOJAONA Samuel, Directeur du Developpement et Amenagement Portuaires fa hiezaka ny seranan-tsambon’ny Toamasina hanaramaso ireo loza mety hitranga ary hanaja ny Cahier de charge.eo ihany koa ny fijerena akaiky ny sehatry ny fifamoivoizana eto an-tampon-tanan’ny Toamasina. Nafana tokoa ny ady hevitra nandritran’ny fivoriana, nisy ny fisalasana tamin’ny sasany izy tonga nanatrika, manoloana ny fiantrekan’ity asa fanitarana ity. No faranana tamin’elalan’ny tsangan-tanana ny fanapahan-kevitra ka betsaka indrindra tamin’izany ny nanaiky ny asa fanitarana izany.
 
(97) Prud'Homme R. : 17-02-2015 - 17:40

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image