Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Adidy masina ny filatsahana an-tsitrapo hoy ny Ministry ny serasera
  Mpilatsaka an-tsitrapo misa 75 no nitolorana mari-pakasitrahana
  Manadanja ny asa an-tsitrapo io ny teny nanainga ireo mpilatsaka an-tsitrapo manerana ny nosy izay nanonkafana ny fankalazana ny faha 25 oktobra 2014 lasa. Notolorana maripakasitrahana ireo fikambanana mpilatsaka an-tsitrapo misa 75. Tonga nanolotra izay ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana Atoa Vonison RAZAFINDAMBO ANDRIANJATO.
Araka izany dia notontosaina ny zoma faha 6 martsa lasa teo ity hetsika fanolorana maripakasitrahana ity. Tsy vitan’izany ihany anefa fa nilohavana resadresaka sy dinidinika momba ny fampandrosoana ny firenena ihany koa ity hetsika ity izay niresahana misimisy kokoa. Nilaza ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana fa misedra fahasahiranana ny vahoaka malagasy, eo ny rivo-doza ary eo ihany koa ny rano be sy ny haintany any atsimo, izay matety pitranga isakin’ny 50 taona raha tsy ilaza ny tamin’ny 1959 izay nahadibodrano an’ny Antananarivo. Na izany aza anefa dia mila mitraka hatrany ny vahoaka malagasy satria mandalo io fahasahiranana io. Nilaza ity minisitra ity fa isany sakana amin’ny fandrosoana io fahasahiranana io eo koa ny kolikoly sy ny tsy fandoavanketra.

Namafisiny ihany koa fa tsy ampy ny fanabeazam-pirenena maha olona eto Madagasikara izany no antony mahatonga ny olona tsy andoha hetra eto amin’ny firenena. Araka ny nambaran’ny Atoa minisirtra hatrany dia ny 13% ny hetra aloha ihany no miditra ao anatin’ny kitapombolam-panjakana raha te-hampiakatra ny ari-karem-pirenena anefa hoy izy dia mila akarina 12% io. Izany rehetra izany dia ilana ezaka fanentanana ny olona amin’ny alalan’ireo mpilatsaka antsitrapo fa saingy kosa ilana tetibola io fanentanana io. Teto dia nanome tso-drano an’ireto mpilatsaka antsitrapo ireto ny minisitra ny fifandraisana mba halao alasa amin’ny adidy masina izay iantsorohan’izy ireo.

Taorian’io moa dia nitsidika ny sambo mercy ships ary nitohy amin’ny fambolenkazo tany Fenoarivo-Est ny fandaharampotoany.
 
(98) PrudHomme R. : 07-03-2015 - 15:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image