Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Gasikara ve no efa ho rendrika sa ny rano no betsaka ?
  Ahiana ny hiparitahan’ny valan’aretina vokatry ny orana nikija nandritran’ny erinandro tsy ankiato
  Tsy mijanona ao Antananarivo intsony ny fisian’ny tondradrano ankehitriny fa saika ho manerana ny nosy izany, fanontaniana no apetrak’ireo olona maro izay miresaka eny rehetra eny sy any amin’ireo tambazotra sosialy maro samihafa ny amin’ny antony mahatonga izao tondradrano izao.

Raha ny zavatra fantatra anefa araka ny nambaran’ireo teknisianina dia noho ny fanorenana trano eny ambony lakandrano ka mahatsentsina an’izany no mahatonga an’izao rano be izao. Atrany ampotopehy ka hatrany amin’ny kibo izany no afitsoky ny rano amin’izao fotoana izao.

Raha ny eto Toamasina manokana no Asian-teny dia saika ho dibo-drano avoakoa ny faritra rehetra toy ny eny Mangarano, Andranomadio, Tanambao V, Tanambao II sy ny maro hafa ary dia nampikaikaika ny olona mihitsy ny fisian’ity rano be eran’ny tanana ity.

Tafiditra ao antrano ny rano raha handeha hivoaka ny trano dia tsy maintsy manitsaka rano. Betsaka araka izany ireo olona marary vokatry ny rano maloto tsy Fanta-piaviana eny rehetra eny, mamely ny aretin-koditra torakizany koa ireo marefo amin’ny kibo dia saika mirongatra koa ny aretin-kibo izany dia noho ny fiakaran-drano diso tafahoatra avokoa.

Manaitra ny sain’ireo tompnandraikitra araka izany ireo vahoaka hitady vahaolana haingana dia haingana ny amin’ny mba tsy hiparitahan’ny aretina vokatry ny fiakaran’ny rano.
 
(99) Lantomalala S. : 09-03-2015 - 15:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image