Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Tanteraka ihany ny fanirina hahazo fitsaboana
  Nahazo anjaram-pitsaboana avokoa ny rehetra
  Nisy ny fitsidihana nataon’ny natao mpanaogazety antoerana ny fitsaboana ireo marary izay ataon’ny sambo mercy ships ny faha 7 ny volana martsa lasa teo. Fantatra ary fa maimaim-poana ireo fitsaboana rehetra atao ireo mpilatsaka an-tsitrapo tonga eto Madagasikara. Notsidihana tamin’izany ny HOPE Center, toerana fampiatranona ireo olona avy nanaovana fandidiana avy amin’ny toerana lavitra sy eto an-toerana, izay afaka mandray marary miisa 150 ary ahitana mpitsabo sy mpikarakara ny marary miisa 37 ka 35 amin’izany no Malagasy ary 2 no teratany vahiny.
Misy toerana fisakafoanana lehibe, ao no isakafoanan’ireo marary sy ny mpiambina ary ireo mpiasa malagasy sy vahiny. Eto Toamasina ihany izy ireo no miantsena ary voavao hatrany no vidina amin’izany.
Mpiasa miisa 10 no mandrafitra ny mpikarakara ny sakafo, ka mampisakafo olona in-3 isan’andro izy ireo, ary ara-pahasalama tanteraka ny sakafo omena ireo olona marary hoy Atoa Randria, lehiben’ny pahandro.

Isany nahazo tombontsoa tamin’ny fahatongavan’ny Mercy Ships i Dillan, tovolahy 8 taona, izay may tamin’ny faha 3 taonany. Araka ny fanazavana nataon’ny beben’i Dillan dia fony izy 3 taona raha iny nilalao teny andavarangana iny dia niverezan’ny ranon-dasopy mangotraka sy ny fatapera niaraka tamin’ny vain’afo i Dillan. Efa tapitra notetezin’izy ireo avokoa ireo toera-pitsaboana misy Antanananarivo, nandritra ny 5 taona fa tsy nahasitran’azy. Nipetaka tamin’ny tanjokavainy ny lohany nony fahamaizana nahazo azy tsy vitan’izay ihany fa nisy fiantraikany tamin’ny rantsambataby ihany koa.
Tamin’ ny 11 novambra izy ireo no nilahatra ka ny faha-8 desambra no niditra fandidiana voalohany ary ny faha-25 janoary izy ireo no nandalo fandidiana faha roa ary ny faha-16 volana martsa lasa teo ny fandidiana faha telo. Nilaza ny Reniben’ny Dillan fa salama soamantsara i Dillan ankehitriny nony fitsaboana azony. Raha saika nandaniana vola 12.000.000ar ho fandidina, nohon’ny fahatongavan’ny Mercy Ships dia nahazo fitsaboana maimaim-poana ka nanoloran’ny beben’i Dillan fisaorana ireo tompon’andraikitra sy ireo ekipan’ny Mercy Ships nikarakara ny zafikeliny.

Maro ireo fomba ahenohan’ny olona ny fahatongavan’ny ilay sambo Mercy Ships ho an’i Rtoa Zara, Renim-pianakaviana dia tamin’ny alalan’ny onjam-peo no nahatonga azy nahafantatra ny fahatongavan’ilay sambo lehibe mitsabo marary. Aretina mamany lava no nahazo azy, nahazo fandidiana manokana. Ankoatran’io dia nahitana soritra aretina hafa taminy ka nahazo fandidiana appendicite ihany ko izy. Araka nambarany dia efa nandritry ny taona maro izy no tsy afaka nipetraka niaraka taman’olona noho izy azon’io aretina mamany lava io. Ankehitriny dia efa vita soamantsara ny fandidiana izay natao taminy. Naneho fisaorany tamin’ny Mercy Ships ity renim-pianakaviana avy amin’ny faritaniny Toliara ity.

Isany nahazo tombontsoa tamin’ny fitsaboana nomeny Mercy Ships ihany koa Atoa Jean Francisco Tsiohy André, avy any amin’ny faritaniny Toliary. Ho azy kosa indray dia ny fipoahana Petromax no niteraka famaizana tamin’ity raim-pianakaviana tompondakan’ny afrika tamin’ny ady totohondry ity. Tamin’ny fotoana nahatapaka ny herinaratra, raha nandrehitra petromax izy no niteraka izay fipoahana izay ka namay azy. Vokany nony voina nahazo azy dia tsy niraharaha azy ny vadiny. Efa diso fanantenana ihany koa izy fa nony fahatongavan’ny Mercy Ships no nanaitra indray ny tsiri-panantenana teo aminy amin’ny fahazoana ny fitsaboana. Ankehitriny dia efa miomana indray hanao ny fanatanjahan-tena natao teo alohany izy.

Amin’izao dia nihato ny fandraisana ny marary afa tsy ny marary nify ihany, nohon’ny tsy fisian’nny olona voan’izany manatona zareo. Isaky ny alatsinay maraina sy ny alakamisy maraina no fijerena sy fandraisana ny marary nify fa isan’andro dia manao ny fitohizan’ny fitsaboina ho an’izay nomena fotoana hiverenana hanohy ny fitsaboina nify. Mahatratra olona marary nify 60 no tsaboin’ny Mercy Ships isan’andro ary olona 3600 mahery no efa vita fitsaboina.

Fantatra tamin’ny fitsidihana natao koa dia hiala eto Toamsina amin’ny volana jona ho avy izao ny sambo Mercy Ships sy ny ekipany ary mbola hiverina ny volana aogositra 2015 hanohy ny fitsaboina rehetra izay nahato ankoatry ny fitsaboana nify, ary ny taona 2016 kosa no hamita izy ireo tanteraka ny fitsaboana marary eto Madagasikara, nohon’ny fangatahan’ny filohan’ny repobilika.

MERCY SHIPS: Rapport d'activité pour la période du 25 octobre 2014 au 28 mars 2015
 
(100) PrudHomme R. : 10-04-2015 - 10:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image