Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  CNAPS mitety vohitra
  Atrik’asa natrehin’ny mpandraraha, mpampiasa sy mpiasa maro
  «Tsy tongatonga foana izany fa mitaky ezaka sy tanjona tiana ho tratrarina», isan’ny fehezan-teny nivoitra nandritra ny atrikasa naharitra telo andro, nokarakarain’ny CNAPS teto Toamasina, ny 3 ka hatran’ny faha 5 jona 2015 lasa teo. Fantatra tamin’izany fa ny lalàna no efa lany andro ka tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny, eo ihany koa ny tsy fahafantarana ny zo tokony ho azon’ny mpiasa sy ny ankohonany. Ireo fiahina ara-tsosialy maro ihany koa ny tsy fampian’ny fandraisana andraikitra ataon’ireo mpiara miombonantoka toy ny mpampiasa, ny sendikaly, ny fanjakana sy ny mpiasa ihany koa.
Nampafantarina arak’izany ireo zo sy ny fiahina ara-tsosialy tokony hoazony mpiasa sy ny ankohonany mandritra sy aorian’ny fotoana niasany raha mahafeno ny fepetra ilaina amizany.

Tapaka taminin’ny izany fa hiara-hientana sy andray ny andraikitra tandrify azy avy ireo rantsa-mangaika ary ny mpiara-miombonantoka rehetra amin’ny fanentanana iaraha manatotosa. Raha hoan’ny haino amanjery sy ny mpanao gazety manokana dia, vonona hiaraka hifanome tanana hoentina hanatrarana ny tanjona natsangana. Arakizany, ny komity manokana hanatanteraka ny asa sy ny fanarahamaso ary ny fanetsehana ny volavolan-dalana izay efa natolotra ny fanjakana tamin’ny taona 2010, izay tsy mbola nazahoana valiny hatramin’izao.

Hialana ihany koa ny fomba fitenenana hoe «ho avy tsy ho ela toy ny volany CNAPS» fa nomena teny filamatra kosa Anio mikarakara ampitso mananjara .
 
(106) Marcelline : 06-06-2015 - 08:17

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image