Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Bazary Be Toamasina
  Mitobaka ny fako na dia eo aza ny ezaka avy ao amin’ny CUT
  Mitobaka ny fako manoloana ny bazary be, hita ao avokoa na ireo tapaka plastika na ireo sakafo tsy lany sy ny fatim-biby maro samy hafa, hany ka vao mandalo eo an-toerana dia midofaka ny fofona. Fa ny zava-nisy kosa anefa ny asabotsy faha 22 aogositra lasa teo dia nampahonena satria dia nahitana fatin-jazarano teo amin’ny fako tetsy bazary be, nampanontany tena ny maro ny zava-nitranga hoe fa reny inona loatra no dia nahavita izao habibiana izao?

Raha ny zava-nisy teny an-toerana nandritra ny fandalovanay teny an-toerana dia zaza sahabo ho enim-bolana tao an-kibo ity zaza ity no nesorina na (avorter) dia nariana teny amin’ny fanariam-pako tsy mba nasiana na dia saché kely akory aza fa nariana tamin’izao fotsiny, efa nitangoronan’ny lalitra ihany koa ity zazarano ity. Mbola tsy fantatra ihany koa aloha hatreto hoe « iza no reny nahasahy nanao izao zavatra izao ? »



 
(109) Lantomalala S. : 25-08-2015 - 09:45

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image