Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Lanonana ara-miaramila
  navoaka tamin’ny fomba ofisialy ireo zatovolahy miisa 175 nahazo ny fihofanana ara-miaramila
  Nataon’ny zoma, faha 18 septambra 2015 lasa teo ny famoahanana ireo tanora lahy ka antoko taona 2015 andihany voalohany izay miisa 175, ireto navoaka ireto izay niatrika fihofanana ara-miaramila nandritra ny 3 volana. Araka izany niavaka ny fampihofanana tamin’ity taona ity satria natambatra ny fihofanana ny avy ao rezimanta voalohany ny faritanin’ny miaramila faha-3 sy ny avy ao amin’ny rezimanta faha-roa Génie miaramila eto Toamasina ity. Natao izao mba hampitovy ny lenta ny fihofanana azon’ireo tanora niatrika ny fihofananana.
Tonga nanome voninahitra izao lanonam-pamoahana izao ny Prefet de province de Toamasina, ny lehiben’ny faritra Atsinanana, ny solombavambahoaka voafidy teto Toamasina ary ireo olo-manankaja sy olon-tsotra sivily sy miaramila. Tamin’ireo lahateny izay nataon’ny lehiben’ny komandin’ny miaramila roa tonta dia samy nanafatra momba ny fitiavan-tanindrazana avokoa izy ireo. Teo ihany koa no nanambarana ampabemaso fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fianakaviambe ny tafika izy ireo. Araka ny fantatra dia misy amin’izy ireo no hiverin’ny ao amin’ny fiaraha monina hanohy ny asa fampandrosoana fa misy kosa ny anohy hatrany ny asa maha miaramila azy ireo. mbola hisy ihany koa anefa ny fanazarantena izay ataon’izy ireo mandritra ny roa taona aorian’izao famoahana azy 175 lahy izao.
 
(111) PrudHomme R. : 19-09-2015 - 11:08

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image