Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  LOGOS HOPE
  Fivarotam-boky mitsikembona lehibe indrindra manerantany
  Nigadona teto Toamasina ny alarobia faha 23 decembra 2015 ilay sambo LOGOS HOPE. Miisa 400, izay avy amin'ny firenena 55 maneran-tany ny olona miasa sy monina amin’ity sambo fivarotam-boky ity. Hijanona mandritrin’ny iray volana eo amin’ny seranan-tsambo ity sambo fivarotam-boky ity, alohan’ny hanohizany ny diany ho any Dar es Salaam (Tanzania) ny 19 janoary 2016 ho avy izao.
Solon-tenan’ny manampahefana eto antoerana maro no tonga nanome voninahitra ny fahatogavana sy ny lanonam-panokafana.
Hisokatra hoan’ny rehetra ny faha-26 desambra 2015 ho avy izao ity sambo mivarotra boky ity, manomboka amin’ny 10 ora maraiana ny fandraisana ary mifarana izany amin’ny 7 ora alina. Ity ny sambo mpivarotra boky lehibe indrindra
Nandritry ny fitsidihana natao fantatra fa hikarakara hetsika maro mamihafa ao anaty sambo ny mpiasa ao amin’ny LOGOS HOPE:

Kolotsaina iraisam-pirenena
Daty: 16 janoary 2016
Ora:1 ora atoandro - 7 ora alina
Tapakila:1500 ariary

Fanentanana ho an’Androy Ndao hiteny anglisy
Daty: 9 janoary Daty: 6 janoary 2016
Ora: 2 - 4 ora tolak’anndro Ora: 3 ora tolak’andro
Tapakila: 1000 ariary Tapakila: 1000 ariary

Ireo ny hetsika ara-kolotsaina fa ny tena mampiavaka ity sambo ity dia ny fananany boky ahitana lohateny mihoatra ny 5000, ary amin’ny vidin’ny mirary. Boky fanovozam-pahalalana sy maro samihafa no hita ao anaty ity sambo mpivarotra boky ity.

Andro sy ora fandraisana ny mpitsidika:

Alahady – Alatsinainy- Atalata : 1 ora tolakandro – 7 ora alina
Alarobia – Alakamisy – Zoma – Asabotsy : 10 ora maraina – 7 ora alina
Alakamisy 31 desambra : 10 ora maraina – 1 ora tolakandro
Zoma 01 janoary 2016 : Tsy mivoha
Tsy misy fanavahana olona fa azon’ny olon-drehetra atao ny mitsidika sy mividy boky amin’ny ity sambo ity. 1000 ariary ny fidirana ho an’ny olon-dehibe, tsy misy vidi-pidirana hoa an’ny ankizy latsaky ny 12 taona sy hoan’ny hetsika rehetra.
 
(114) KOTO Joel : 25-12-2015 - 07:20

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image