Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Haitrano tetsy Mangarao II
  May kilan’ny afo tranon’ilay Rtoa mananotena
  Niredareda ny afo tao Mangarano II, trano mitafo fanitso sy mirindrim-bolo iray no kilan’ny afo. Ramatoa iray, mitoetra irery no tompony sy mipetraka amin’ilay trano. Ny alatsinainy faha 4 janoary 2015, sahabo 11 ora atoandro teo dia nisy zavatra nipoaka tao anatin’ilay trano, afo mivoaka avy anaty trano no hita afaka segondra vitsivitsy. Araka ny loharanom-baovao voaray dia ny herinaratra (court-circuit) tao antrano no fototra nisian’ny afo ka nahamay ity trano ity.
Samy nihezaka namono afo ny mponina manodidina mba tsy hiparitahan’ny afo, ka voafehy ihany izany afaka minitra vitsivitsy. Niantso ny mpamonjy voina teto Toamasina ny mponina raha vantany vao nitranga ny loza; efa 45 minitra taty aorian’ny fahamaizana no tonga ny mpamonjy voina ka namarana ny famonoana ny afo. Isany nananosarotra ny asan’ny mpamonjy voina ihany koa ny fahateren’ lalana mandeha amin’ilay toerana niharam-boina.
Maloka ny fiatomboan’ny taona ho an’ity Rtoa ity satria harena notadiavina nandritra ny taona maro no indray kilan’ny afo. Mpivarotra anana ao amin’ny tsenan’ny Mangarano II no asa fivelomany, izao nitrangan’ny loza haitrano. Miantso an’izay malala-tanana mba hijery sy halotra fanampiana ho azy. Azo atao ny manatona ny lehiben’ny fokotany Magarano II raha hijery na hamangy sy hanolotra fanomezana.
 
(115) PrudHomme R. : 04-01-2016 - 17:39

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image