Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Vatsin’ny ankohonana
  Nahazo ny anjarany ny kaominina Mahavelona Foulpointe
  Nitsidika ny kaominina Mahavelona Foulpointe, ny alatsinainy faha11 janoary 2016,ny filoha Atoa Hery Rajaonarimampianina miaraka amin’ny minisitra miisa 12 sy ireo manampahefana maro avy Antananarivo sy avy amin’ny faritra Atsinanana. Natolora tamin’izany tamin’ny fomba ofisialy vatsin’akohonana, tetikasa fifanomezan-tanana ifampierana ho fitsinjovana ny sosialy ny ankizy toy ny fahasalamana, ny fampianarana, ny tohana hoan’ireo Ray aman-dReny sahirana.
Fianakavana miisa hatraminy 4000 no nahazo tohana tamin’izany tao Foulpointe ary zaza latsaky 15 sy 15 taona no hisitraka an’izany. Maharitra dimy taona ny faharetany tetikasa ka any amin’ny 2020 ny fataperany. Fivondronana enina avy anaty faritra dimy ihaina no hanatontosana ity tetik’asa “Vatsin’ankohonana” ity.
Ny tetik’asa “Vatsin’ankohonana” dia, tetik’asa haharitra mandritry ny 5 taona, izay ho tanterahina amin’ny Fivondronana 6 izay avy amin’ny Faritra 5 eto Madagascar. Famantsiam-bola mitentina 40 000 000 dolara avy amin’ny banky iraisam-pirenena no ny angady nananana sy vy nahitana nananatanterahana ny titik’asa, FID no manao ny fitantanana rehetra mahakasika izany. Ny tokan-trano tena sahirana ao anaty fiara-monina no tsinjovina amin’izany. Ny tanjona kendrena amin’ity tetik’asa ity dia ny famerenana ireo ankizy nitsoka andaharana an-tsekoly sy ny fanohanana ny zaza amin’ny sakafo aram-pasalamana. Isakiny roa volana no azahoana ny vola, raha ny ao Foulpointe manokana dia amin’ny alalany OTIV no andraisana an’izany.
Misy ny fanaraha-maso ankaiky ireo olona nahazo tohana amin’ny fampiasana izany mba ho misy fiantraikany amin’ireo izay nadray izany.
Nisaotra ny fitodram- panjakana ny mponinana tao Mahavelona Foulpoint, tamin’ny ezaka fanampina ho an’ny mponinana antoerana.
 
(116) Marcelline VAVIROA : 12-01-2016 - 10:25

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image