Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Zazavavy 14 taona naholan’ny Raim-pianakaviana iray
  Arahimaso akaiky ny fahasalamany ao amin’ny hopitaly ben’ny Toamasina
  Fanolanana feno habibiana indray no niseho tamin’ny zazavavy kely antsoina hoe Shaïda, zazavavy 14 taona, tezain’ny Rainy niterak’azy sy Renikeliny. Raha araka ny fanadihadina nataonay dia fanolanana roa sosona no nahazo ity zaza ity satria dia nofatoran’ity valilahin-drainy, vadin’ny anabavin-dRainy, ity zaza ity ary nanaparany ny filan-dratsiny, tsara ny manamarika fa sady naholany avy ao amin’ny fivaviay ity zaza ity no naholany avy ao amin’ny fitombenany ihany koa.

Ny alakamisy faha 11 ny volana jona 2015 no nisehoan’ny fanolanana, tsy vitan’izay fa dia mbola nodorana ihany koa ny fitombenan’ity zaza ity ka izao may mitsovaka, araka ny fantatra dia fasika nodorona, mahamay natao anaty lamba no nandorana ny fitombenan’i Shaïda kely, ny renikeliny (vadin’ny Rainy) sy nenitoany (anabavin-dRainy, izay vadin’ilay rangahy nanolana) sy nenitoany iray hafa no tompon’antoka tamin’ny fandorana araka ny fitantaran’ny Shaïda «mamaheliko de tantine-ko, roa zay nitazogna anahy dia nataonjareo fasika mamay tanaty lamba dia napetrakanjareo takeo za» io no nolazain’ity zaza rehefa nanontanianay.
Tsy nana-kambara akory ny Rainy raha nahita ny zavatra niseho fa mbola trerona no nataony tamin’i zanany vavimatoa dia i Shaïda izany, araka ny nambaran’i Shaïda ihany. Marihana fa mpiara-monina iray fefy avokoa ireo nanao herisetra ary tao antoerana ihany no nanaovan-dry zareo ny serisetra na ny fanolanana izany na ny fandorona ny fitombenan’ilay zazavavy.
Tsy nisy ny fandresana an-tanana nataon’ny Rainy hoy ny Renin’i Shaïda, efa narary mafy i Shaïda nohon’ny herisetra natao taminy, izay vao niampilaza ny Reniny zareo, ary izy ihany no nanao zay vitany tamin’ny fitsaboana azy; fa noho tonga tamin’ny fahalaniana ny teo ampelatanana izy dia nanatona ny Filohan’ny fokontany, ka ny Filohan’ny fokontany no nanoro lalana sy nitondra zareo mianaka tamin’ny tomponandraikitra misana ny mponinana, tao no nadraisanan’ny tambazotra miaro ny zon’ny zaza ny fikarakarana ny fahasalaman’i Shaïda.

Ny asabotsy 13 jona no nampidirina hopitaly ity zazavavy ity. Taorian’ny fizaham-pahasalamana natao taminy dia hita fa misy mipika ny tanany sy ny tomgony, ary misy ratra eo amin’ny tratran’ity zaza ity.
Simba tanteraka i Shaïda ary mbola miaritra fanaitainana mafy hatramin’izao, tovovavy kely vao 14 taona monja, mpianatra kilasy faha 5 na T5, izay tokony hiatrika fanadinana CEPE amin’ny volana jolay. Vokatry ny filan-dratsin’ilay Raim-pianakaviana sy ny sasany (renikeliny sy tantine n’ilay zaza) tsy matahodody dia, tsy afaka nanao fanadinana fotsy na ny “CEPE Blanc” ilay zazavavy kely, ary mbola tsy fantatra ny fahafahany hiatrika ny fanadinana ara-panjakana CEPE amin’ny volana jolay, satria mbola anaty fitsaboana tanteraka izy ireo. Tsara ihany koa ny mampahafantatra fa ry zareo tomponandraikitra ao amin’ny tambazotra miaro ny zon’ny zaza no miantoka ny fandanina rehetra amin’ny fitsaboana ity zaza ity ankehitriny.

Mahakasika an’ilay Raim-pianakaviana izay nanolana dia efa nahiditra ampoja, ary eo ampelatanan’ny manampahefana moa ny raharaha amin’izao. Mbola andrasana fivoaran’ny fahasalaman’i Shaïda, mba hitantarany lavalava ny zava-nisy, mba hafahana manadihady misimisy kokoa mahakasika ny fandroroana azy nataon’ ny mamaheliny (vadin’ny Rainy) sy nenitoany (anabavin-dRainy, izay vadin’ilay rangahy nanolana) ary nenitoany iray hafa. Ary manaramaso ny fizotrin’ny raharaha ry zareo avy amin’ny ny tambazotra miaro ny zon’ny zaza.
 
(108) Lantomalala S. : 16-06-2015 - 18:15

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image