Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Loza tamin’ny lalam-pirenena faha roa (RN2)
  Kamiao roa lehibe nifandona
  Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’ny lalam-pirenena faha roa (RN2), ny alin’ny alakamisy faha 3 ny volana martsa 2016 hifoha zoma teo. Kamiao lehibe roa samy mitondra «conteneur» no nifandona, tany amin’ny tanàna atao hoe Ambohikambana na tetezakambana no afantaran’ny maro azy koa, izay 88 kilometatra hiditra ny tanànan’i Brickaville avy Antananarivo.

Tsy nisy ny aina nafoy fa iray tamin’ireo mpamily no naratra, naratra teo amin’ny tongony nefa naharitra ora roa no nakana azy tao anatin’ilay fiara.
Niteraka fitohanana teo amin’ireo fiarakodia ity lozam-pifamoivoizana ity, ho an’ireo fiara izay mampiasa ny lalam-pirenena faha 2 iny, hany ka, voatery namorona fiolanana ny fiara kely rehetra fa ireo fiara lehibe kosa dia tsy maintsy niandry ny fanesorana ireto fiara be ireto teo amin’ny arabe vao afaka nanohy ny dian’izy ireo.

Raha araka ny fanadihadina nataonay tamin’ny mpamily fiara be iray izay manao zotra Toamasina - Antananarivo dia raha tokony ho tonga ny zoma maraina tamin’ny 5 ora sy sasany izy ireo dia ny zoma tamin’ny 6 ora ariva vao nigadona tao Ambodivona fiantsonana.
 
(120) S. Lantomalala : 04-03-2016 - 09:02

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image