Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités

Login Password
Register Forgot Password?
Nancy Langston, Teto Toamasina
Manampahaizana amin’ny ady famotsim-bola
Nivahiny teto amin’ny fahapalalam-baovao ny onjam-peo ny radio vohanio i Rtoa Nancy Langston izay efa procureur teo aloha teo amin’ny departemanta amerikanina, talohan’ny naha procureur azy dia efa nisahana ny asa fanaovan-gazety tamin’ny BBC ihany koa. Ankoatra ireo voalaza teo dia manampahaizana manokana momba ny ady amin’ny famotsiam-bola ihany koa ny tenany.
Nambarany fa ny atao hoe famotsim-bola dia vola maloto avadika vola madio, mba hanadiovana ilay vola dia tsy maitsy manorina orin’asa ilay olona manao famotsim-bola eo ihany koa ny famoronan’izy ireo ny fiaraha-miasa amin’ny mpahay lalana sy ireo olona tompon’andraikitra amin’ny fandoavan-ketra eo ihany koa ny olona manampahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fitantanam-bola satria ny tanjon’izy ireo ny hampisy elanelana lavitra eo amin’ilay vola maloto avadika ho vola madio. Ohatra amin’izany ny vola azo avy amin’ny fivarotana zava-mahadomelona toy ny rongony eo ihany koa ny vola azo avy amin’ny kolikoly, isan’izany ihany koa ny vola azo avy amin’ny fanondranana olona.
Manoloana ireo dia misy ny rafitra toy ny SAMIFINE io rafitra io kosa indray no maiara-miasa amin’ny Polisy ary ny SAMIFINE no manoro ireo toromarika momba ny fanarahana ireo vola maloto. Araka ny nambaran’ity manampahaizana amin’ny famotsiam-bola ity dia tokony mandeha any amin’ny tahirim-bolam-panjakana avokoa ireo fananana na vola tratra.
Teo amin’ny sehatry ny asany amin’ny maha manampahaizana momba ny ady amin’ny famotsiam-bola kosa indray dia manampy ireo firenena ahitana izany ny ataon’izy ireo toy ny porofo hamantarana fa manao famotsiambola ny mpitondra fanjakana iray na olon-tsotra na mpiasam-panjakana io. Araka ny nambarany mantsy fa matetika ireo mpamotsy vola toy ireo mpitondra fanjakana voavidim-bola no mividy fitaovampiadiana, mividy Yote, mividy trano ivelan’ny firenena misy azy.
Nambaran’ i Rtoa Nancy Langston tamin’ny fivahiniany teto amin’ny onjam-peon’ny Radio Voanio fa mpitondra fanjakana na mpiasampanjakana manao kolikoly dia voavidim-bola.
Prud'Homme : 25-05-2016 - 09:22
Noelin’Ankizy 2017
6èmeédition
Tontosa ny asabotsy faha 23 desambra ny hetsika izay karakarain’ny Radio Voanio, isan-taona, ny Noelin’Ankizy. Ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na EPP miisa enina no nandray anjara tamin’izany. Kilonga miisa 30 avy amin’ny kilasy GS na CP1 no naira-nidola, nihira sy nampiseho talenta.
JL : 28-12-2017 - 08:33... Lire la suite

 

Jeune Chambre International Toamasina
Nanolota ny asa vita tao amin’ny EPP Ambohijafy
Navaozin’ny JCI na ny Jeune Chambre International eto Toamasina indray ny tranom-pianarana 2 efitra etsy amin’ny EPP Ambohijafy, izay fanatsarana niharahan’izy ireo niaraka tamin’ ny ZAZASOA, izay fikambanan’ny mpianatra any Frantsa mpiara-miasa efa ela amin’ny JCI eto Toamasina. Efa nisy ny fanavaozana ny tranom-pianarana efitra roa ny taona 2016
R Prud'Homme : 12-07-2017 - 15:12... Lire la suite

 

Voix Talen’Est
1/2 Final
Lanonana roa sosona no notanterahina teto amin’ny Radio Voanio ny farany herinandro lasa teo, ny 23 desambra dia nankalaza ny noelin’ny ankizy, ny 24 desambra kosa dia mbola notanterahana tato amin’ny hefitrano malalaky ny Radio Voanio ny fifaninanan-kira Voix Talen’Est manasa-dalana.
Maro ireo mpijery no tonga, fa indrindra ireo nanotrona sy nanohana ireto...
Lantomalala : 26-12-2016 - 11:05... Lire la suite

 

Noelin’ny Ankizy 2016
Andian’ny faha dimy (5eme édition)
Notanterahana ny 23 desambra 2016 ny noelin’ny ankizy andiany faha dimy, izay hetsika karakarain’ny Radio Voanio, fanaiony isan-taona hoentina ampifalifaliana ireo ankizy.
Niavaka kely izy tamin’ity taona ity satria dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny sekolim-panjakana manana ireny préscolaire ireny izay miisa 6 teto Toamasina dia ny EPP La Foire, EPP Manangareza, EPP ZOTO, EPP Todivelo Raphael, EPP Analamboanio, EPP Maurice Guyot.

Nampiavaka ny noelin’ny Ankizy tamin’ity taona ity isantaona tokoa mantsy satria feno fifangaroan’ny ankizy avy amin’ny sekoly maro, izay noentina anatsarana ny fetin’ankizy sy mba hoentina anomezana ny fahafaham-pon’ny rehetra. Ankizy miisa 30 no niara-nidola, niara-nifaly, niara-nialahetaheta.
Lantomalala : 24-12-2016 - 08:45... Lire la suite

 

Nom de l'image