Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Tsy Fandriampahaleana eto Toamasina
  Mpanendaka 7 haly, Ramatoa nangalatra tao amin’ny lapan’ny fitsarana
  Ny faha telo ny volana aogositra 2016 lasa teo no niantso ny mpanao gazety ny teo anivony police central eto Toamasina. Ny mpitandro ny filaminana dia miezaka hatrany ny amin'ny fiarovana ny vaohaka sy ny fananany, somary nafampana ny farany volana jolay no resahina hoy commissaire Manitra.
Araky ireo vokatra azo ny 29 sy ny 30 jolay mpanendaka fito indray no voasambotra tao amin'ny bazary ankirihiry, ambolomadinika sy mangarivotra iny. Efa nigadra ny dimy tamin'ireo ary iray vao nivoaka tamin'ny alatsinainy voalohany volana aogositra teo efa karazany andiany mihitsy izy ireo amin'ny fanaovana izany asa ratsy izany. Ny mampalahelo dia misy mbola tsy ampy taona ny ankamaroany izy ireo, voarasika amin’ny asa fanao ratsy kao izao lasa mpanendakaka sy mpandroba amin’ny toerana betsak’olona.

NY TAO AMIN'NY FITSARANA INDRAY

Vehivavy iray indray no hita tamin’ny camera caché nangalatra vitrine, izay fitaovana an’ireo namany mpivarotra manoloana ny lapan’ny fitsarana ihany satria io ramatoa io dia mpivarotra Jus sy composé eo monoloana ny lapan’ny fitsarana ihany koa. Nambaran’ny ramatoa ty farany fa nisy nangalatra ihany koa ny fitaovan’ny entiny mivarotra tany aloha tany tany ka izay no nahatonga izy nagalatra ny hafa ihany koa. Mihariry asa fanaovand-ratsy eto Toamasina, mandry tsy lavo loha ny an-tokatrano, fitaintainana ny amin’ny mpivarotra, tsy tery lalana ny mpanao ratsy ka hatreny amin’ny lapan’ny fitsarana no tsy afe-bela amin’izany.
Efa natolotra ny fitsarana avokoa ireo ireo mpanendaka 7 sy ramato iray tratra nangalatra tao amin’ny fitsaranana ity.
 
(126) VAVIROA Marcelline : 01-08-2016 - 07:26

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image