Noelin'ny Ankizy 2016


Ankizy miisa 30 avy sekoly 6, no nizarana dôla


  Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités

Login Password
Register Forgot Password?
Tsy misy marika ny mpanao ratsy
Mpadraharaha la vanille very 35 000 000 ariary
Indray alina monja dia najavona ny vola 35 000 000 ariary any ilay mpandrahara saika hividianana la vanille tany amin’ny kominina Ambinany Telo, Distirikan’ny Maroantsetra. Niray efitra fatoriana lay mpadraraha sy i TOTOMAEVA Faustin, lay naka an’ilay vola raha azo tory tanteraka lay mpadraharaha, ny 15 jolay. Fankafantatra sy mpiara-miasa izy roalahy eo amin’ny sehatry ny la vanilla.
Nahazo loharanom-baovao ny mpitandro ny filaminana ka nanao velam-pandrika nahasamborana ny olo-dratsy.
Tratran’ny zandrary tao amin’ny fonkotany Andranomadio, Toamasina, ny faha 31 jolay lasa iny, i TOTOMAEVA Faustin, lay nangalatra vola mitentina
35 000 000 ariary.
Fiarahamiasa avy amin’ny zandary misahana amin’ny fikarohana any Maroantsetra sy ny eto Toamasina no nahazahoam-bokatra izao.
Raha natao ny fisavana taorian’ny fisamborana dia vola 7 000 000 ariary no sisa teny aminy amin’ny ilay vola 35 000 000 ariary lasany sy karampanondro sandoka iray ary tongolo 17 gony izay novidiny tanatin’ny ilay vola
35 000 000 ariary.
VAVIROA Marcelline : 02-08-2016 - 12:03
Voix Talen’Est
1/2 Final
Lanonana roa sosona no notanterahina teto amin’ny Radio Voanio ny farany herinandro lasa teo, ny 23 desambra dia nankalaza ny noelin’ny ankizy, ny 24 desambra kosa dia mbola notanterahana tato amin’ny hefitrano malalaky ny Radio Voanio ny fifaninanan-kira Voix Talen’Est manasa-dalana.
Maro ireo mpijery no tonga, fa indrindra ireo nanotrona sy nanohana ireto...
Lantomalala : 26-12-2016 - 11:05... Lire la suite

 

Noelin’ny Ankizy 2016
Andian’ny faha dimy (5eme édition)
Notanterahana ny 23 desambra 2016 ny noelin’ny ankizy andiany faha dimy, izay hetsika karakarain’ny Radio Voanio, fanaiony isan-taona hoentina ampifalifaliana ireo ankizy.
Niavaka kely izy tamin’ity taona ity satria dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny sekolim-panjakana manana ireny préscolaire ireny izay miisa 6 teto Toamasina dia ny EPP La Foire, EPP Manangareza, EPP ZOTO, EPP Todivelo Raphael, EPP Analamboanio, EPP Maurice Guyot.

Nampiavaka ny noelin’ny Ankizy tamin’ity taona ity isantaona tokoa mantsy satria feno fifangaroan’ny ankizy avy amin’ny sekoly maro, izay noentina anatsarana ny fetin’ankizy sy mba hoentina anomezana ny fahafaham-pon’ny rehetra. Ankizy miisa 30 no niara-nidola, niara-nifaly, niara-nialahetaheta.
Lantomalala : 24-12-2016 - 08:45... Lire la suite

 

Voix Talen’Est
1/4 de Final
Tontosa ny Asabotsy 17 desambra 2016 lasa teo ilay fifaninanan-kira Voix Talen’Est 1ere Edition izay karakarain’ny Onjam-peo Radio Voanio. Mpifaninana miisa 17 no tafiakatra tamin’ny ampahavalon-dalana ka niatrika ny ampahefa-dalana izay notanterahana tao amin’ny Restaurant Bar Sarky’s.
Nafana tokoa ny sehatra tamin’io fotoana io satria dia samy nahay avokoa izay naneho ny talentany,ary tena nanahirana ny mpitsara ihany koa no nitsara an’ireto hoavin’ny mozika vaovao eto amin’ny faritra Atsinanana ireto.
Araka ny maha lalao azy anefa dia tsy maintsy misy ny tafiakatra sy ny tsy tafiakatra,ka 13 no tafiakatra ho amin’ny dingana manasa-dalana raha efatra kosa no tsy tafiakatra tamin’izany. Telo mianadahy no
Lantomalala : 18-12-2016 - 09:10... Lire la suite

 

VOIX TELEN’EST
8em de Final
Notanterahana tanaty hefitra malalakin’ny Radio Voanio ny fifanintsanana voalohany tamin’ny fifaninanan-kira na Voix Talen’Est 1er édition ny zoma faha 9 sy ny sabotsy 10 desambra lasa teo. Nahitana mpandray anjara roampolo teo ho eo ka ny 16 tamin’izany no tafiakatra hiatrika ny dingana manaraka dia ny ampahefa-dalana izay ho tanterahana ao amin’ny restaurant Karaoké SARKIS ny asabotsy faha 17 desambra 2016 ho avy izao.
Lantomalala : 11-12-2016 - 08:35... Lire la suite

 

Nom de l'image