Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fiarovana ny tontolo ny tontolo iainana
  6 dollar ny 1 taonina vidin’ny karbona eo amin’ny tsena iraisam-pirenena
  Avokavokan’ny firenena ny ala ankehitriny. Tanindonindoza ny ala eto amintsika, araka izany natao tetsy amin'ny efitrano malalaky ny Hotel Neptune nanomboka ny faha 21 ka hatramin'ny faha 23 jolay lasa teo ny atrik'asa momba ny ady amin'ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan'ny toetry ny andro sy fiarovana ireo ala sisa.
Saika niopana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny atrik'asa ary ny fanaparitahana ny REED+ izay rafitra natao hitantanana ny vola momba ny fiarovana ny tontolo iainana fa eo ihany koa ny rohy fiasa iraisam-pirenena natokana hampihenana entona mangeja hafanana avy amin'ny faharipahana sy ny fahasimban'ny ala izay mitsinjo manokana ny fampandrosoana maharitra, sy ny fitantanana ny ala, ary ny fikajiana sy fampitomboana ny tahiry karbona.
Saika nahatonga solotena tamin'ity atrik'asa ity avokoa ireo fikambanana sy sampandraharam-panjakana misy eto Toamasina. Tonga namarana izany tamin'ny fomba ofisialy ny minisitrin’ny hay voary sy ny tontolo iainana Rtoa NDAHIMANAJARA Johanita niaraka tamin'ny mpandridra nasionaly ny REED+. Nivohitra tamin'ny famaranana tamin'ny lahateny nataon'ny minisitrin’ny hay voary sy ny tontolo ianana fa efa misy ny fiaraha-miasa eo amin'ny ministeran'ny vola amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, tsy hadinoiny ihany koa ireo ezaka mbola atao amin'ny fiarovana ny tontolo iainana.
Nisongadina ihany koa teto ny maha-zava-dehibe ny vidin'ny entona karbona eo amin'ny tsena iraisam-pirenene satria mahatratra 6 dollar ny vidin’ny iray taonina izay afaka entina hampandroso ny firenena sy iarovana ihany koa ny tontolo iainanana ary anaovana fotodrafitr’asa hafa hoy Rtoa minisitra. Ny tokony tsy hadinoin’ny tsirairay anefa fa ny ala dia mamelona ary ivelomantsika olombelona.
 
(129) Prud'Homme : 23-07-2016 - 17:46

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image