Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Quatrième unité de protection civile
  Fanomezana avy amin’ny Ambatovy
  Naotolotra tamin'ny fomba ofisialy, ny faha 3 ny volana jiona 2016 lasa teo ny sampam-piarovana sivily ato anatin’ny faritra Atsinanana, fanomezana avy tamin'ny orinasa Ambatovy. Ahitana trano arifomba miisa enina, mba hiatrehana amin’ireo loza eo amin'ny lafiny teknolojia na ny loza voajanahary izay mety hitranga aty amin'ny faritra, fitaovana sy ireo fanaka ,fitaovana ilaina amin'ny fanofanana eo amin'ny vonjitaitra ary fiara fito ahafahana mirotsaka avy hatrany raha misy ny loza.
Fanomeza mitentina iray tapitrisa dollar fitaova rehetra notolotra izao izay novatsiana tamin'ny alalany tahirin’ny Ambatovy ho an’ny tetikasa sosialy sy ny fananganana ny fotodrafitrasa.
Eo amin'ny maha mpandraraha sangany ara-toekarena azy, Ambatovy dia mandray anjara amin'ny asa sosialy na eo aza ny olana lalovany orinasa amin’izao, ny fidinan’ny vidin’ny nickel sy cobalt eo amin'ny tsena iraisampirenena, dia manolotra ny anjara birikiny hatrany izahay hoy ny filoha mpitantana an'ny Ambatovy Atoa Tim Dobson nandritry ny lanonam-panolorana.
Tonga nandray ny fanolora sy no nanome voninahitry ny lanonana ny filoham-pirenena Malagasy Atoa Hery RAJANARIMAMPIANINA sy ny minisitrin’ny foloalindahy ary ireo manankaja maro. Tsiahivina fa tamin’ny taona 2012 no napetraka ny tahirin'ny Ambatovy ho any tetikasa sosialy sy fotodrafitrasa mitentina 25 tapitrisa dolara amin'ny faritra iasan'ny orinasa, ary efa betsaka ny fanorenana nampiasana an’io vola io isan’ny fanavaozana ny Bazary Be Toamasina.
 
(132) VAVIROA Marcelline : 27-06-2016 - 10:22

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image