Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  14 jolay 1789 – 14 jolay 2016
  227 taona lasa ny ady tao Bastille, nahazahoana fandresena
  Raha ny ara-tantara dia, ady tamin’ny tsy fankahasitrahana amin’ny fitonandrana faha mpanjaka, namoizana ain’olona maro tao Bastille-Paris, ny andron'ny atalata 14 jolay 1789, izay isan'ny ireo hesika niandohana sy nahafantarana ny revolisiona frantsay.
Andro iray manana tantara io fakana an'ny Bastille nataon'ireo revolisionera frantsay ireo sy nohevirina fidiran'ny vahoakan'ny Paris voalohany anaty revolisiona sy fiainam-pirenena frantsay. Tamin'ny taona 1880 no nanapahana ny daty 14 jolay ho fahatsiaronana ny hetsika namoizana ain'olona maro, ho fandravana ny fitondran'ny mpanjaka sy firosoana amin'ny firenena repiblikana. Ny 21 septabra 1792, mbola tanaty fotoana revolitiona, nivory ireo solombavambahoaka tamin'izany ka nandany ny fandravana tanteraka ny fitondran'ny mpanjaka ary ny fijoron'ny repoblika voalohany. Ny 25 septambra 1792, namamba ampahibemaso sy manelikin'izao tontolo izao fa repobilika iray sy tokana ihany ny Frantsa.
Nandalo fiovan'ny governemanta intelo ny repoblika voalohany saingy tsy nisy filohan'ny mpirenana fa i Napoléon Bonaparte, lay nitondra tamin'ny fitondran'ny mpajaka ihany no mbola nitondra tamin'izany. Ary tamin'ny taona 1848 no nisian'ny fifidianana filohampirenena voalohany, Atoa Louis-Napoléon Bonaparte, izay zanaky ny mpiray tampo tamin'i Napoléon I, raha nifanandrina tamin'Atoa Louis Eugene Cavaignac, izay nikotrika ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2 desambra 1851 ary nanangantena ho mpnjaka, nitondra ny anarana Napoléon III, iray taona manaraka. Mandrak'ankehitry dia, efa 24 no isan'ireo filohampirenena nifandiby niantomboka tamin'ny taona 1848.
14 jolay 2016, nanasa ny manampahefana sy ny mpitondra ary ny frantsay monina eto antoera, tao amin'ny MIOU MIOU CLEB, ny consulat de France eto Toamasina, ho fahatsiarovana ny fandresena nadritran’ny ady sy revolisiona. Tonga namely ny fanasana ireo manamboninahitra sy manampahefana eto antoerana, izay notarihin’i Atoa BENANDRASANA Cyril, Préfet ny Toamasina sy Atoa RATSIRAKA Elisée, ben’ny tananan’ny Toamasina I.
Nambaran’ny consul honoraire eto Toamasina, Atoa FUARD Christian fa raha ny amin’ny fiainana ara-tsosialy, mijoro tanteraka ny Frantsa, ary betsaka ny zavatra tanteraka toy ny Euro 2016, izany natao tany’ Fantsa. Tsy minjanona amin’ny fiarahamiasa amin’ny manerana izao tontolo izao ny Frantsa sy ny vondrona eropeanina izay misy azy. Nanao atso avo ho an’ireo Frantsay sy ireo mizaka ny zom-pirenenan frantsay rehetra monina eto antoerana Atoa FUARD Christian, mahakasika ny fifdianana ny hosolombavambahoaka sy ny ho filohampirenena frantsay, mba hamanarina ny taratasy manokana sy hanatona ny birao consulat de France ho fanomanana ny fifidianana sy mba hisian’ny fahehoan-tsafidy malalaka. Eo amin’ny sehatrin’ny fiaramiasan’ny Madagasikara sy ny Frantsay dia, nanome fiofana ho amin’ny fiarovana ny Frantsay, ho fanampiana amin’ny tsy fandriampahalemana misy eto Madagasikara, sy fanampianana amin’ny lafiny serasera ho fanatanterahana ny fihaonamben’ny firenena francophone izay ho ato any Antananarivo. Niarahaba an’ny Lycée français manokana koa ny tenanany tamin’ny fahazahoana ny tahapahafahana Baccalauréat 100% ary nanolotra vatsi-piarana hanohizana fianarana any amin’ny oniversite sorbonne any Paris, ho an’ilay nahazo mention très bien. Nisaotra tamin’ny ezaka natao ireo mpampianatra sy tompin’adraikitra ary ny mponina eto Toamasina tamin’izany fahombiazan’ny Lycée Français izany, izay manana mpianatra miisa 800 amin’izao. Nambara ko aizy fa tsara fandray ny frantsay eto Toamasina na dia misy aza ny tsy fahampian’ny fahalalampomba indraindray ary nametraka fiahiana izy amin’anaran’ireo frantsay monina eto Toamasina, ny mahakasika ny fanavaozana ny carte resident izay mbola tsy fantatra mazana ny fiasiany eto Toamasina.
Nitondra teny fisaorana tamin’ny fanasana Atoa RATSIRAKA Elisée sy nanambara fa efa nifamantotra ela be sy ara-tantara ny firenena Malagasy sy ny firenena Frantsay. Tokony tsy ho adinoina ny tantara, ho tantaray amin’ny taranaka mifadimby na ny amin’ny Malagasy na ny amin’ny Frantsay nefa kosa tsy natao ho tsaira, hoy hatrany i Atoa RATSIRAKA Elisée.
Fety ny natao, nisy ny fanapahana mofomamy sy ny fiarahana niala hetaheta no namaranana ny lanonana.
 
(131) VAVIROA Marcelline : 15-07-2016 - 12:43

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image