Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Andro iraisam-pirenena amin’ny ranomasimbe
  Ranomasina salama, planeta salama
  «Ranomasina salama, planeta salama», fankalazana nasionaly ny andro iraisampirenena hoan’ny ranomasimbe natao teto Toamasina ny faha-10 jona lasa teo.
Maro ny fifanarahana nataon’ny Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena momba ny ranomasimbe, ka nametraka ministera manokana misahana ny ranomasina ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Araka izany dia ny minisitry ranomasimbe no tonga nakalaza izany andro natsionaly izany. Hetsika maro no noentina nanaovana ny fankalazana teo ny fandraofana akora vita amin’ny sache tetsy amin’ny torapasiky ny tananan’ny Toamasina , niaraka tamin’ireo orin’asa, miankina amin’ny fanjakana sy tsy miankina amin’ny fanjakana, eo koa ireo fikambananana maro samy hafa.
Ny tolak’andro kosa dia nisy ny famelabelarana ny maha zava dehibe ny ranomasimbe sy ireo arena ao anatin’ny ranomasimbe. Nivohitra tamin’ny famelabelarana izay nataon’ny Rtoa RANDRIANARISOA Léonide Ylenia, minisitra ny ranomasimbe fa mifamatotra ny ranomasimbe sy ny olombelona. Araka ny fantatra ihany koa fa misy blocs na plastika ao amin’ny ranomasimbe pasifika ao izay hita avy amin’ny satelita raka izany io no laharampahamehan’ny firenena rehetra amin’izao fotopana iza mba handravana izany. Isany laharampahamehan’ity minisitra ity ny fanangonana ireo antontan’isan’ireo arena ao anaty ranomasina mba ahafahana mitrandra sy miaro ary hitantanana izany.
 
(134) Prud'Homme R. : 27-06-2016 - 11:31

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image