Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités

Login Password
Register Forgot Password?
VOIX TELEN’EST
8em de Final
Notanterahana tanaty hefitra malalakin’ny Radio Voanio ny fifanintsanana voalohany tamin’ny fifaninanan-kira na Voix Talen’Est 1er édition ny zoma faha 9 sy ny sabotsy 10 desambra lasa teo. Nahitana mpandray anjara roampolo teo ho eo ka ny 16 tamin’izany no tafiakatra hiatrika ny dingana manaraka dia ny ampahefa-dalana izay ho tanterahana ao amin’ny restaurant Karaoké SARKIS ny asabotsy faha 17 desambra 2016 ho avy izao.

Samy mahay avokoa ny mpifaninana ato anatin’ity feo aman-talentan’ny tatsinanana ity satria dia saika nanano sarotra ho amin’ireo mpitsara ny fitsarana ny talenta izay hananan’izy ireo.
Telo mianadahy ny mpitsara nahitana an’i Nounousse, mpanakanto mpihira avy eto Toamasina, eo ihany koa i Rado ao anatin’ny mpikarakara ny hetsika Voix Talen’Est ary Lanto mpanentana sy mpamokatra fandaharana ato amin’ny Radio Voanio no sady Mpanakanto ihany koa.



Isaorany ny mpahonana :

Lantomalala : 11-12-2016 - 08:35
Hay trano tao Dépot, Toamasina
Trano 10 tafo mahery, kilan’ny afo anaty 30 minitra
Nohon’ny haitrano nitranga tao Dépot, parcelle 23/41 sy 23/42, ny alarobia, sahabo, tamin’ny 4 ora sasany tolakadro, tonga namangy ny fianakavina tratran’ny haitrano Solombavambahoaka voafidy teto Toamasina I, Atoa FAMINDRA Justin sy ny Vadiny, nitondra famapaherezana sy fanampiana. Nanao fanentanana ko aizy amin’ny manampahefana sy tompinandraikitra eto antoerana fa tsy hijery fotsy ireo vahoaka tratran’ny hai-trano izao fa ny fifanampiana sy fifanomezan-tanana no ahafahana manarina ny fahapotehana.
JoelK : 17-08-2018 - 15:15... Lire la suite

 

Fifidianana 2018
Hotomobana araka ny tokony ho izy ve?
Fifidianana io no lohahevitra niarahana tamin’ny fandaharana Miray Feo ho an’ny fiarahamonina mirindra tamin’ny onjam-peo Radio Voanio, FM 98.2, ka nanasana an’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tao Toamasina II Atoa Roilahy Jonah teo ihany koa Atoa Maro Roland, President Commission Electoral - Provincial de Toamasina, ary Rtoa Viviane Rahariniaina avy ao amin’ny Ino Maresaka Tamatave. Nafana ny adihevitra ny mpihaino ihany koa dia niezaka ny naneho ny heviny na tamin’ny alalan’ny 034 44 444 44 na tamin’ny fanehoan-kevitra tamin’ny facebook Voanio Toamasina
Lanto : 16-02-2018 - 09:20... Lire la suite

 

Noelin’Ankizy 2017
6èmeédition
Tontosa ny asabotsy faha 23 desambra ny hetsika izay karakarain’ny Radio Voanio, isan-taona, ny Noelin’Ankizy. Ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na EPP miisa enina no nandray anjara tamin’izany. Kilonga miisa 30 avy amin’ny kilasy GS na CP1 no naira-nidola, nihira sy nampiseho talenta.
JL : 28-12-2017 - 08:33... Lire la suite

 

Nom de l'image