Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Noelin’ny Ankizy 2016
  Andian’ny faha dimy (5eme édition)
  Notanterahana ny 23 desambra 2016 ny noelin’ny ankizy andiany faha dimy, izay hetsika karakarain’ny Radio Voanio, fanaiony isan-taona hoentina ampifalifaliana ireo ankizy.
Niavaka kely izy tamin’ity taona ity satria dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny sekolim-panjakana manana ireny préscolaire ireny izay miisa 6 teto Toamasina dia ny EPP La Foire, EPP Manangareza, EPP ZOTO, EPP Todivelo Raphael, EPP Analamboanio, EPP Maurice Guyot.

Nampiavaka ny noelin’ny Ankizy tamin’ity taona ity isantaona tokoa mantsy satria feno fifangaroan’ny ankizy avy amin’ny sekoly maro, izay noentina anatsarana ny fetin’ankizy sy mba hoentina anomezana ny fahafaham-pon’ny rehetra. Ankizy miisa 30 no niara-nidola, niara-nifaly, niara-nialahetaheta.
Nafana ny lalao, ny dihy, ny tsinjery sy ireo fampiseohoana nataon’ireo ankizy, indrindra fa teo amin’ny fahatongavan’ny dadabe noely, orakoraka tsy nisy toy izany ny an’ireo ankizy. Toy ny mahazatra, dia niaraka nandihy tamin’ny ankizy ihany koa i dadabe noely. Rehefa vita izany rehetra izany dia nizara kilalao, vatomamy sy biscuit ho an’ny ankizy ihany koa dadabe noely. Hafaliana torak’izany ny tamin’ireo Ray amandReny izay nitondra ny zanany sy nanatrika ny lanonanana.



"Izahay eto amin’ny Radio Voanio dia Mirary fety Sambatra ho an’ny mpakafy sy ny rehetra "
 
(144) Lantomalala : 24-12-2016 - 08:45

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image