Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Hay trano tao Dépot, Toamasina
  Trano 10 tafo mahery, kilan’ny afo anaty 30 minitra
  Nohon’ny haitrano nitranga tao Dépot, parcelle 23/41 sy 23/42, ny alarobia, sahabo, tamin’ny 4 ora sasany tolakadro, tonga namangy ny fianakavina tratran’ny haitrano Solombavambahoaka voafidy teto Toamasina I, Atoa FAMINDRA Justin sy ny Vadiny, nitondra famapaherezana sy fanampiana. Nanao fanentanana ko aizy amin’ny manampahefana sy tompinandraikitra eto antoerana fa tsy hijery fotsy ireo vahoaka tratran’ny hai-trano izao fa ny fifanampiana sy fifanomezan-tanana no ahafahana manarina ny fahapotehana.

Tsiahivina fa ny niandohan’ny afo dia afo avy anaty trano no niakatra amin’ny tafo, tsy voasaka, ka niampita tamin’ireo trano manodidina. Tonga teny Dépot, raha vao naharay ny antso, ny mpamonjy voina fa nohon’ny fahateren’ny lalana dia tsy tonga hatr’eny amin’ny trano may ny fiara mitondra ny rano. Tsy nisy ny aina nafoy, tsy nisy entana voaray fa kilan’ny afo daolo.
 
(149) JoelK : 17-08-2018 - 15:15

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image