Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Miaina anaty tebiteby ny mponina Toamasina
  Fatin′ny lehilahy iray no hita ny marainan′ny alarobia 5 mars 2014
 

Vory ny olona! Fitangoronana tsy misy otrizany ny marainan′ny alarobia, tokony tamin′ny 8 ora teo ho eo, tao amin′ny CRJS, akaikin?ny toeram-pilalaovana « Basket Ball ».

Fatin′ny lehilahy iray mivalampatra no tazana teo, ary tsindrona antsy 3 no hita teo amin′ny tratrany.

Novonon′olona tany tamin′ny toeran-kafa, tokotokony tamin′ny 12 ora alina tany izy ary natsimpin′ny zareo mpanao asa ratsy manakaiky ny toeram-pilalaovana « Basket Ball » anaty tokotany malalakin?ny CRJS ity rangahy antsoina hoe Pakila ity.

Raim-pianakaviana, manambady sy mananjanaka iray i Pakila. Mpivarotra tavoangy no asa fameloman′ny vady aman-jananany; salama vatana sy saina tsara izy, araka nambaran′ i Satanah zokin′ny maty, ary tena tsy nanampoy ny zavatra nahazo ny fianakaviana, nony nahita ny razana vao nikohapo.

 
(17) Lantomalala SAHONDRANIRINA : 05-03-2014 - 15:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image