Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fahatapahan′ny RN2
  Camion feno entana, mitsivalana amin′ny lalana
  Nisesisesy ny fahatapahan-dalana tato ho ato izay raha tsy ilaza ilay vao niseho tamin′ny herinandro lasa dia ny fihotsahan′ilay vato be teny amin′ny fiakaran′ny Mandraka mihazo an′ny Marozevo iny, raha tsiahivina dia tamin′ny alakamisy faha 27 febroary 2014 lasa teo no nisehoan′ity sakana nisy tamin′ny lalam-pirenena faha roa iny. Herinandro lasa izay,katroka tsara ny herinandro dia ny alakamisy faha 06 martsa 2014 teo dia nisy ihany koa izay fahatapahan-dalana izay mbola tamin′iny lalampirenena faha roa na RN2 ihany; noho ny fanaovana entan-kalaina na ″surcharge″ mbola tao Ambavaniasy 30km hidirana Moramanga na Ambatosonegaly, zay 200Km
miala an′ny Tamatave. Camion mpitondra entana efa tsy afa-nihetsika nohon′ny feno simenitra noentiny, zay efa ho 30 tonnes. Vokany tsy afaka nanohy ny diany intsony ity Camion ity fa avy dia nitsivalana teo amin′ny arabe zay kodidin′ny fotaka mandrevo.
Raha araka ny nambaran′ireo nanatrimaso, ny fiantombohan′ity tranga iray ity dia ny alakamisy faha 06 ny volana martsa tokony ho tamin′ny 4ora tolakandro teo no efa nibahana teo ity Camion ity, saingy efa tamin′ny 11ora alina kosa izahay no teny antoerana; arak′ izany dia efa alin-be ny andro ka tsy nisy intsony ny azo natao. Ny zoma faha 07 ny volana martsa kosa indray, vao maraina tamin′ny 5ora dia niroso tamin′ny fitadiavam-baholana zay fifanomezan-tanana niarahana amin?ny mpamily sy mpandeha taxi-brousse, ka voahisaka ihany ny Camion zay mibahana ny lalana: ″ny firaisankina no hery″;ary tokony ho tamin′ny 7ora sy sasany maraina teo ho eo no nisokatra ny lalana RN2 iny.
 
(19) Lantomalala SAHONDRANIRINA : 08-03-2014 - 08:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image