Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Lasibatrin’ny fiakaran’ny rano ny fokontany mangarano I sy II ary andranomadio
  Nirongadra ny aretin-koditra
  Velontaraina ny mponina amin’iny fokontany Mangarano I sy Mangarano II ary Andranomadio iny, nohon’ny fiakaran’ny rano nandritran’ny firotsahan’ny orana teto Toamasina nandritry ny 4 andro nifanesy, tamin’iny herin’andro lasa iny. Araka ny nambaran’ny Rtoa Sana Madeleine, mponina amin’iny faritra iny dia manomboka ny volana janoary no fiakaran’ny rano ka hatramin’ny volana may any vao ritra tanteraka izany isan-taona. Nisy ihany lalan-drano taloha fa efa tapitra totofan’olona avokoa anorenana trano ka miparitaka sy mameno ny manodidina ny rano, ary efa misy trano dobo tanteraka mihitsy aza. Mangarano raha teo mantsy saika oraka ihany sy faritra hiva amin’ny ankapobeny. Vokany atreny andohalika ny rano raha vao vantany manorana roa andro monja aza.

 

Tonga ny aretik’oditra toy ny olampotaka,ny parasikankana sy ny lagaly ,arak’izao hita amin’ny sary izao; eo ihany koa ny fahasahiranan’ ny renimpianakaviana maro amin’ny fanaterana ny sy fakana ny mpianatra any ampianarana, rehefa miakatra ny rano.

 

Misy ny ezaka nataon’ny lehiben’ny fokotany amin’ny famerenana sy fanaovana ny lalan-drano, amin’ny alalany fifampiresahana amin’ireo olona nanatototra, saingy misy amin’ireo olona ireo no tsy manome lalana andehanan’ny rano; hany ka mitazampotsiny sisa no azo atao.
Ary nambaran’ny Chef Fokotany fa tokony misy tatatra andehanan’ny rano manomboka avy any amin’ny Eglise Saint Paul Mangarivotra ka mihafara any Ambodisaina, ary avy Ambalamanasy mipaka hatran’ny amin’ny Port-sec. Hatreto aloha dia very fanahy mbola velona ihany ny mponina satria miandry izay fotoana maha ritra ny rano ihany zay vao afaka ny rano.
 
(20) Prud′homme RAKOTOSON : 10-03-2014 - 10:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image