Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités

Login Password
Register Forgot Password?
Fankalazana ny 8 marsa teto Toamasina
Fikambanam-behivavy miisa 155 no nandray anjara
Vorilanina teo nanoloana ny lapan’ny faritra Atsinanana ireo fikambanam-behivavy misy eto antampon-tananan’ny Toamasina renivohitra, ny marainan′ny asabotsy, 8 mars 2014, nanomboka tamin′ny 7 ora maraina, nankalaza ny 8 mars.

 

Fikambanam-behivavy miisa 155 no tonga nilatro nanoloana ireo manampahefana; ary izany moa dia nialoavana kabary nifandimbiasa toy ny filohan’ny 8 mars, Ramatoa RAMANJANAHARY Christine, vadin’ny lehiben’ny faritra Atsinanana, vadin’ny PDS eto Toamasina ary nofaranan’ny Ramatoa solombavambahoaka NDAHIMANAJARA Johanita.

 

”Fampiarana ny miralenta no antoky ny fampandrosoana” ireo no nivohitra tamin’ny lahatenin’ireo vehivavy tamin’ny andro iraisam-pirenena ho any vehivavay. Araka nambaran’ny filohan’ny 8 marsa dia nitombo ny salampavitrihan’ireo vehivavy nandray anjara tamin’ny filaharana satria tonga teto amin’ny renivohitry BETSIMISARAKA avokoa ireo fikambanan’ny vehivavy avy any Toamasina II sy ny zanaka ampielezana.
Prud′homme RAKOTOSON : 08-03-2014 - 08:00
Hay trano tao Dépot, Toamasina
Trano 10 tafo mahery, kilan’ny afo anaty 30 minitra
Nohon’ny haitrano nitranga tao Dépot, parcelle 23/41 sy 23/42, ny alarobia, sahabo, tamin’ny 4 ora sasany tolakadro, tonga namangy ny fianakavina tratran’ny haitrano Solombavambahoaka voafidy teto Toamasina I, Atoa FAMINDRA Justin sy ny Vadiny, nitondra famapaherezana sy fanampiana. Nanao fanentanana ko aizy amin’ny manampahefana sy tompinandraikitra eto antoerana fa tsy hijery fotsy ireo vahoaka tratran’ny hai-trano izao fa ny fifanampiana sy fifanomezan-tanana no ahafahana manarina ny fahapotehana.
JoelK : 17-08-2018 - 15:15... Lire la suite

 

Fifidianana 2018
Hotomobana araka ny tokony ho izy ve?
Fifidianana io no lohahevitra niarahana tamin’ny fandaharana Miray Feo ho an’ny fiarahamonina mirindra tamin’ny onjam-peo Radio Voanio, FM 98.2, ka nanasana an’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tao Toamasina II Atoa Roilahy Jonah teo ihany koa Atoa Maro Roland, President Commission Electoral - Provincial de Toamasina, ary Rtoa Viviane Rahariniaina avy ao amin’ny Ino Maresaka Tamatave. Nafana ny adihevitra ny mpihaino ihany koa dia niezaka ny naneho ny heviny na tamin’ny alalan’ny 034 44 444 44 na tamin’ny fanehoan-kevitra tamin’ny facebook Voanio Toamasina
Lanto : 16-02-2018 - 09:20... Lire la suite

 

Noelin’Ankizy 2017
6èmeédition
Tontosa ny asabotsy faha 23 desambra ny hetsika izay karakarain’ny Radio Voanio, isan-taona, ny Noelin’Ankizy. Ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na EPP miisa enina no nandray anjara tamin’izany. Kilonga miisa 30 avy amin’ny kilasy GS na CP1 no naira-nidola, nihira sy nampiseho talenta.
JL : 28-12-2017 - 08:33... Lire la suite

 

Nom de l'image