Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fifamoivoizana
  Tsikaritra ny fitohanandalana - Toamasina
  Miha tery ny lalana eto Toamasina, ny mponina ve no nihamaro sa nitombo isa ireo karazanam-pitaterana eto Toamasina?

 

Tsy maraina, tsy atoandro, tsy ariva fa misy foana ny fitoanan-dalana, indrindra amin’ny ora firavanan’ny mpianatra sy mpiasa.

 

Saika hita izany amin’ny lalana rehetra eto an-tapotananan’ny Toamasina, raha tsy ilaza ny amin’iny RN2 iny, izay mamakivaky Barikadimy, Managarano I sy II, Mangarivotra sy Ambolomadinika iny sy amin’ny Boulevard maro.

 

Raha ny antontanisa ny olona mipetraka sy monina eto Toamasina tamin’ny taona 2012, izay voaray farany dia, mahatratra 267 389, ary 85% ny olona no mampiasa karazam-pitaterana sy fiara maro.

 

Miisa 50 any hoa ny taxi-be saingy 4 amin’izireo ihany no tena ara-dalalana, arak’izay voalazanjareo ao amin’ny Commune Urbaine Toamasina.

 

127 no isan’ny Taxi-ville na fiara karetsaka miasa eto Toamasina tamin`ny taona 2013, ary niampy 26 izany tamin’ity taona 2014 ity, ka 153 izany amin’izao.

 

Raha ny Tri-cyclo-moto na tuk-tuk no fiantsoan’ny maro azy, miisa 68 izany tamin`ny taona 2013 lasa teo iny, niampy 26 izany tamin`ny volana janoary, ka 94 isa ny fitambarany amin’izao. Ary ny tena be isa indrindra dia ny Cyclo-pousse na ny posy bisikileta izay mahatratra 7239 isa.

 

Raha jerena ami’ny ankapobeny dia miisa 7536 ireo fiara fitaterana ankoatran’ny mpandeha tongotra, ireo fiara ampaisain’ny Orinasa maro sy fiaram-panjaka, ireo fiara lehibe mpitondra etana mavesatra, kalesa mpitondra etana, Moto isankarazany sy ireo Bicyclette maro.

 

Ka feno arak’izany ny lalana ary raha zohina dia tsy mitsahatra mitombo ireo isa ireo, nefa azo lazaina tsy ampy ny fanamboara sy famoronan-dalala.

 

Ireo ny tarehimarika voaray farany avy tamin’ny INSTAT/DDSS - Dir Toamasina sy Commune Urbaine Toamasina.
 
(23) Anderson RAVO : 18-03-2014 - 15:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image