Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Tilapia de l'Est
  Misendra olana amin'ny fanafarana sakafonà trondro
  Mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny faritra atsinanana ny fiompiana trondro. Mahatratra tantsaha miisa 388 tokoa mantsy no mivelona amin'ny fiompiana trondro eto Toamasina amin'izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray dia mahalany trondro 1 taonina isan'andro ny fandaniana misy eto Toamasina.
Misy ny olana sedraina eo amin'ity fiompiana trondro ity hoy ireo teknisianina eto an-toerana avy ao amin'ny "Tilapia de l'Est". Nanambara moa izy ireo fa hafarana avy any ivelany ireo sakafonà trondro ka ny olana mateti-pitranga dia ny fahataran'ny fivoahan'ny kaotonera ao antseranan-tsambon'ny Toamasina. Maniry fiaraha-miasa amin'ny tompon'andraikitry ny fadi-tseranana moa izy ireo mba hampivoarana mandrakariva ny asa sy mba ahafahan'izy ireo mamaly ny filan'ny vahoaka.
 
(206) S.Lantomalala : 19-05-2021 - 14:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image