Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Vaksiny AstraZeneca
  Tonga maro ny olona manao vaksiny
  Mitohy hatrany ny fanaovana vaksiny miaro amin'ny covid 19 eto Toamasina amin'izao fotoana izao. Manodidina ny 50 isan'andro ireo olona tonga eny amin'ny toerana fanaovana vaksiny. Manao ora mitohy moa ireo mpitsabo manap izany ka manomboka amin'ny 8 ora maraina hatramin'ny 3 ora folakandro, natao izao fandaminanan izao hanamorana ny fandefasana tatitra ara-potoana any amin'ny tompon'andraikitra isan'andro arakin'ny nambaran'i Dr Liliane Zafindraporaka tompon'andraikitry ny serasera.
Nampafantariny ihany koa fa niara-nanomboka tamin'ny alatsinainy 17 may ny taty region atsinanana dia teto Toamasina voalohany hatrany Marolambo. Nohamafiny ihany koa moa fa maimaim-poana ny fanaovana vaksiny "AstraZeneca" hiarovana amin'ny valan'aretina covid 19.
Mbola maro no tsy mahafantatra hoe inona moa ilay vaksiny "Covichield" ary inona ny vaksiny "AstraZeneca", ka nitondrasan' fanazavana izany i Dr Norovoahangy Ramialisoa fa mitovy ihany izy roa ireo fa ny oterana sy ny orin'asa mpamokatra azy ireo no samy hafa.
 
(208) S.Lantomalala : 20-05-2021 - 08:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image