Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Ala arovana any Ambodiarana
  Mihasimba ny ala nohon'ny tombotsoan'olom-bitsy
  Simba tanteraka ny ala arovana iray ao amin'ny kaominina ambanivohita Ambodiarana distrikan'ny Mahanoro faritra Atsinanana. Manoloana izany fahasimban'ny ala izany dia maneho ny alahelony ireo vondron'olona ifotony mipetraka manodidina sy ireo Tangalamena eny an-toerana.

Ny gaboraraka no fototr'izany rehetra izany hoy izy ireo satria dia maro ny fepetra ny amin'ny ala arovana no mivaha ka misy ireo olona izay mahazo alalana hamboly ao anatin'ny faritra arovana.

Etsy akilany manao ny ataony ireo manao fitrandrahana ala tsy ara-drariny ka manondrana izany any ivelany.

Hita miharihary ihany koa ny fanararaotam-pahefana izay miseho amin'ny endrika maro isan-karazany ka sahirana ireo Tangalamanena sy ny sefon'ny ala ny amin'ny fampiarana ny lalàna. Tranga iray vao tsy ela akory izay, nisy ireo olona tratra namboly lavania an-tsokosoko tao amin'ny faritra ny ala, dia rehefa nosamborin'ny fokonolona sy ny sefo ny ala dia noentina teny an-tanana. Rehefa natolotra ireo manam-pahefana dia afaka madiodio ireo olona ireo, araka ny voalazan'ny tompon'andraikitra moa dia tsy afaka manao na inona na inona izy ireo nohon'ny baiko nilatska avy any ambony ny hamotsorana ireo olona ireo tsy misy hatak'andro.

Ny hetahetam-pon'ireo mponina mipetraka manodidina ny ala dia tsy sanatria ny handrava fa hiaro ny ala amin'ny maha ala arovana azy. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia vonona ny hikolokolo sy hikajy ny ala ireo Ray aman-dreny any an-toerana, ka manaitra ireo mpitondra fanjakana isan'ny ambaratongany hijery hifotony ny zava-misy marina.
 
(211) S.Lantomalala : 25-05-2021 - 10:15

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image