Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Tazomoka
  Hisy ny fizarana "lay misy ody moka" andiany faha-5
  Ho fanafoanana ny tazomoka dia nisy ny atrik'asa izay notanterahina androany 25 mai 2021 teto Toamasina ka nadray anjara tamin'izany ireo olona toa teny manerana ny distrikan'ny Toamasina. Saika miompana betsaka amin'ny fiadiana ny valan'aretina covid 19 isika amin'izao fotoana izao, saingy esty akilany dia tsy azo jerem-potsiny ny firongatrin'ny aretina azo avy amin'ny tazomoka, satria dia maro tokoa ny maty amin'izao.

Izay no mahatonaga izao fivoriana natao tao amin'ny hotely Ravaka etsy Canada mba hijerevana paik'ady hanenana ny taham-pahafatesan'ny olona lavon'ny tazomoka. Nampahafantatra ihany koa i Razafiarisoa Vavy Celestine Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka fa misy ny fanafody hitsaboana ny aretina azo avy amin'ny tazomoka sy TDR fanaovana fitilina eny amin'ny tobim-pahasalamam-panjakana rehetra eto Toamasina. Hisy ny fizarana "lay misy ody moka maharitra" izay hiaraha-miasa amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eo amin'ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon'antoka maro.

Raha tsiahivina fohy dia tamin'ny taona 2018 no nisy hetsika farany fizarana lay misy ody moka maharitra, ka amin'ny volana aogositra 2021 ho avy izao no hisy fizarana andiany faha-dimy. Ho an'ny faritra Atsinananana manokana dia tokantrano manodidina ny efatra tapitrisa mahery eo ho eo no hisitraka izany lay misy ody moka maharitra izany. Raha araka ny voalaza ihany koa dia lay iray ho an'ny olona roa, ka ny tanjona dia 85% ny tokantrano dia ahazo avokoa.
 
(213) S.Lantomalala : 26-05-2021 - 11:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image