Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Vaksiny AstraZeneca
  Tonga nanao vaksiny ny solombavambahoaka Rolland Ratsika
  Tonga nanao vaksiny ny solombavambahoaka voafidy teto amin'ny renivohitra Toamasina Andriamatoa Rolland Ratsiraka androany alarobia 26 may 2021. Nampahafantariny ihany koa ny fanambarana navoakan'ny "Organisation Mondiale de la Santé" na ny OMS fa raha tsy vita vaksiny ny 30% ny mponina amin'ny faritra rehetra eto Madagasikara dia tsy ho afaka amin'nity valan'aretina covid 19 ity isika fa mety mbola ho hisy ny andiany fahatelo araka ny vinavina nataon'ireo manam-pahaizana.

Hita taratra hoy izy ny fahasarotana iainan'ny mponina amin'ny fiainana andavandro ny amin'ny fahatapahan'ny lalana. Manoloana izany indrindra dia mampirisika ny vahoaka sy ireo solombavambahoaka namany ny tenany mba hanao ity vaksiny astraZeneca ity na dia teo aza ny fanaratsiana azy. Raha tena manam-paniry ny hiverina amin'ny fahafahana tanteraka isika dia tokony maro arak'izay azo atao ny olona vita vaksiny hiadiana amin'ity areti-mandoza covid 19 ity.
Tokony ho laharam-pahamehana ny fahasalamam-bahoaka hoy izy ny amin'ny famatsiana ireo fitaovana ilaina rehetra eny amin'ny tombim-pahasalamana hitsaboana ireo marary.
 
(214) S.Lantomalala : 26-05-2021 - 14:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image