Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fivorian'ny "commandant d'unité"
  Notanteahiana androany ny fivoriana fanao isan-taona
  Notontosaina androany 27 may 2021 ny fivoriana "commandant d'unité" izay fanao isan-taona ao anatin'ny vondrona ny zandarimaria Atsinanana notarihin'i Colonel Ranaivoson Théodule commande ny vondronn-toby fileovan'ny zandarimariam-pirenena, izay hamoriana ny "commandant de brigade" rehetra izay ao anatin'ny distrika fito. Ny tanjon'izao atrik'asa izao moa dia hanaovana jery todika ny asa izay natao tao anatin'ny roa taona indrindra tao anatin'ny hetsika rehetra hiadiana amin'ny valan'aretina covid 19. Araka ny fanazavana dia tokony tamin'ny fiandohan'ny taona izao fivoriana izao fa nohon'ny fihiboana dia izao vao nisokatra ny lalam-pirenena faharoa sy fahadimy.

Misy antony telo lehibe ny tsy maintsy nanatanterahana ity atrik'asa ity, voalohany dia marobe ny toromarika avy any amin'ny SEG, avy amin'ny commandement ny zandarmaria ary avy amin'ny CRGN. Ny tena fonjan-kevitra ao anatin'ireo toromarika dia ny hoe: "la peur doit changer de camp" izany hoe tsy tokony aty amin'ny zandarmaria na ny fitondram-panjakana intsony no misy ny tahotra fa any amin'ny olon-dratsy.

Faharoa ny fanarenanan ny fomba fiasa indrindra eo amin'ny resaka fitondran-tena, ny fitsipi-pifehezana, ny fanamiana, ny fanarahana ny fenitra amin'ny resaka fifandraisana aman'olona, fampiakarana ho avo lenta ny fahaiza-manao "capacité professionnel et capacité opérationnel".

Fahatelo farany izay tena zava-dehibe dia misy ny tondrozotra vaovao izay tsy maintsy atao ny hampiarana azy hatraman'ireo zandarma any amin'ny farany lavitra satria raha nahita isika tatoato izay dia maro ireo zandarma no lavo any am-panatanterahana ny asa, misy ihany koa ireo nahita am-ponja nohon'ny tsy fanarahana fitsipi-pifehezana, maro ireo olom-boafidy izay manana tsy fifankazahoana eo am-panatanterahana ny asany, maro ihany koa ireo tranga tsy fandriam-pahalemana izay hita fa sarotra ny fifehezana azy na any amin'ny tontolo ambanivohitra na andrenivohitra dia izay rehetra izay mitambatra no hamoahanay mba hampitomboina ny fahaiza-manao sy ny traik'efa eo am-panatanterahana ny asa.
 
(217) S.Lantomalala : 27-05-2021 - 16:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image