Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  BNGRC Atsinanana
  Nanangana trano fametrahana entana vaovao
  Efa manana trano fametrahana entana eny Anjoma ny BNGRC fa hita hoe tsy ampy izany nohon'ny fahakelezany raha hoharina amin'ny tokony ilaintsika aty amin'ny faritra Atsinanana izany. Noho izany indrindra no antony nananganana tranobe iray.

Tsy mbola notokanana fa nojerena omaly alarobia 26 may 2021 ny tranobe anakiray ho fametrahana entana na "magasin de stockage" avy amin'ny BNGRC etsy amin'ny voirie. Raha araka ny fantatra dia mbola hisy fanamboarana vaovao anakiray ho apetraka eo amin'io toerana io ihany mba hitantanana ny loza sy ny tandinon-doza.

Ny antony nananganana ity tranobe ity ihany koa moa dia hanamorana ny fahasahiranana any amin'ny fitadiavana toerana rehefa misy ny traboina dia mandeha midodododo mitady sekoly na mitady toerana hialofana ka mety hanembatsembana ny fandaharam-potoana eny anivon'ny sekoly sy ny toerana azo hialofana izany. Antony iray hanampiana antsika ity ivo-toerana ity izay azo antsoina ihany koa ho "multi-fonction" satria dia azo ampiasaina tsara hialofan'ireo tsaboina no sady azo atao ho toeram-pametrahana entana.

Trano izay mirefy 18 metatra ny halavany, 9 metatra ny sakany, 6 metatra hahavony, ary mahazaka 700 hatramin'ny 750 taonina ny entana na sakafo azo ampidirina ao anatiny.
 
(218) S.Lantomalala : 27-05-2021 - 17:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image