Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.

Tahak'izao manaraka izao ny teny firariantsoa sy fampaherezana natolony: "amin'ny maha reny ny tenako dia mahafaly ahy ny miarahaba antsika reny jiaby tsy ankanavaka tratr'ity andro androany ity izay andro manan-danja natokana ho fankalazana ny fetin'ny reny, miarahaba manokana an'i Ramatoa vadin'ny filoham-pirenena Mialy Rajoelina satria izy no renintsika malagasy jiaby, tsy adino koa ny miarahaba ireo reny manana andraikitra ambony eto amin'ny tany sy ny fanjakana, ireo olo-boafidy sy ireo olom-boatendry, indrindra fa hianareo reny avy aty amin'ny faritra Atsinanana, miarahaba ihany koa ireo reny izay tratri'ny tsy fahasalamana amin'izao fotoana izao na any amin'ny hopitaly na any an-trano, marina fa sarotra ny fiainana diavintsika amin'izao fotoana izao kanefa aza atao mahakivy izany satria antsika viavy, antsika reny no andry iankinan'ny tokantranontsika, noho izany sahia mijoro amin'ny mahareny antsika, ary aza manaiky ho resin'ny fiainana satria antsika no fitaratra hoavin'ireo faramandimbitsika ireo".
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

  Masova 501
  Notokanana androany ny tranobe ny serasera sy ny kolontsaina teto Toamasina
  Notokanana androany 28 may 2021 ny tranobe ny serasera sy ny kolontsaina etsy amin'ny araben'ny fahaleovantena izay nampitondraina ny anarana hoe "Masova 501". Raha tsiahivina dia ny sabotsy 9 novambra 2019 no nametrahana ny vato fototra an'ity tranobe ity.
 
(220) S.Lantomalala : 28-05-2021 - 12:00...Lire la suite

 

Nom de l'image