Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Distrikan’i Mahanoro
  Vola sandoka 1 060 000 Ariary no sarona
  Nahomby ny fampitandremana nataon’ny mpitandro filaminana eto amin’ny firenena raha nampandre ny mponina fa misy vola sandoka miparitaka avy any andrenivohitra tao anatin’ny Distrikan’i Mahanoro.

Ny sabotsy 12 avrily 2014, no nahazo sy naharay fanampim-baovao ny Borigadin’ny Zandarimariam-pirenena ao Ambinanindrano, ao amin’ny distrikan’ny Mahanoro, fa misy olona mpanaparitaka vola sandoka ao Mandemoka, Kaominina ambanivohitra Befotaka, anatin’ny Distrikan’i Mahanoro ihany, ka avy hatrany dia naka ny fahazoan-dalana hanao fisavàna tamin’ny tonia mpampanao lalana avy ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohanay ao Vatomandry.

Ny ampitson’io ihany dia nidina teny an-toerana ny Zandary notarihin’ny Kaomandin’ny Borigadin’Ambinanindrano ka namantana avy hatrany tao amin’ny trano nipetrahan’ Atoa.Rakotonirina, antsoina hoe Tombolahy. Nahomby ny fisavàna natao ka tratra tamin’izany ny vola sandoka mitentina 1 060 000 Ariary. Voasambotra ihany koa Atoa Levalo izay fantatra fa niray tsikombakomba tamin’i Atoa Tombolahy sy ny vadiny, izay fantatra ihany koa moa fa vao tera-bao ho tapa-bolana lasa izay.
Ny lehilahy iray antsoina hoe Fianarana, voalaza ho vinanton’ Atoa.Levalo no tafaporitsaka nandositra ka mbola karohina hatramin’izao. Nambara ho ity Atoa. Fianarana ity no naka ireo vola ireo avy taty Toamasina.
 
(26) Erino RAZAFIMANANA : 24-04-2014 - 17:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image