Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN2
  Nosokirina tao anaty fiara ilay mpamily
  Nifampisintonan’ny fokonolona tao anaty fiara ny mpamilin’ny kamiao iray niharan-doza tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, ny alin’ny sabotsy 15 martsa 2014 teo. Tery tao anatin’ilay fiara ary tapa-balahana ihany koa ka tsy afaka nitsangana intsony raha tsy tonga teny an-toerana ny fokonolona.

Ny sasakalin’ny sabotsy faha 15 martsa 2014 teo no fantatra niharan-doza tao anatin’ny Kaominina Ambohimangakely mamakivaky iny lalam-pirenena faharoa iny ity fiara ity.
Araka ny loharanom-baovao voaray dia avy naka vary milanja 10 taonina tany Ambatondrazaka ity kamiao ity izao niharan-doza izao. Rehefa tafiditra tao anaty fiolahanana ity farany no voalaza fa nifanehatra tamina fiara vaventy iray hafa nifanena taminy. Samy tsy nisy nahita na ny mpamilin’ny an-daniny na ny an-kilany ka izay ny fototra nahatonga ny loza.
Nifandona ny roa tonta, ary tapaka mihitsy ny tsindry hisatr’ilay kamiao nitondra vary noho ny fifandonana. Vokany, tsy nety tafajanona intsony ilay fiara ary avy hatrany dia namantana tany anaty lavaka. Potika tanteraka ny lohany ary tafahitsoka teo amin’ny familiana ilay mpamily, fa ilay tovolahy nanampy azy kosa no naratra mafy.
Ny Alahady 16 martsa, maraina, vao nifanaretsaka nisikotra an’ity mpamily tao anatin’ilay fiara ny fokonolona teny an-toerana. Fantatra fa efa tsy misy ahiana ny fahasalaman’ity farany amin’izao fotoana izao.
 
(27) Erino RAZAFIMANANA : 18-03-2014 - 18:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image