Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Halatra solika teto Toamasina
  Olona 56 voasambotra, 16 no efa nidoboka ao Ambatavohangy ary karohina zanak’olom-panjakana ambony iray
  Mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ny nahaverezan’ny solika teto Toamasina. Olona miisa 56 no voaroiroy ary 16 amin’ireo no nahiditra amponja vonjimaika. Anisan’ny raharaha mitovy amin’ny Trafic andramena ity halatra solika tao amin’ny Galana terminal ao Dépot - Toamasina ity. Araka ny vaovao voaray, nandritran’ny iray volana sy tapany no nanatanterahan’ny police ny fanadihadiana an’ireo olona ahiana amin’ity raharaha ity. Ao anatin’ny tambazotran’ny mpangalatra solika ireo olona voasambotra ireo amin’ny alalan’ny fantsona lehibe amin’orinasa Galana izay mitodra ny solika miainga avy any amin’ny sambo mankeny amin’ny foibe fiterizan-tsolika no anaovan’ireo mpangalatra ny asaratsiny. Raha ny fanazavan’ny police hatrany, zanak’olom-panjakana ambony iray karohan’ny police fa tafiditra ary anisan’ny atidoha mikotrika ity halatra solika ity. Raha ny tatitra avy amin’ny police hatrany, mitotaly 15000 litatra ny solika efa tafaverina amin’ny Galana terminal taorian’ny fisamboran’olona ireo.
 
(30) Lantomalala SAHONDRANIRINA : 10-04-2014 - 18:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image