Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités

Login Password
Register Forgot Password?
Salon régional de l’emploi et de la jeunesse TOAMASINA
Tanora miiasa 23 420 no tonga nitsidika
Notontosaina nandritran′ ny roa andro teto toamasina ny salon régional de l’emploi et de la jeunesse ny 29 sy 30 aprily 2014, zay nokarakarain’ny zay nokarakarain’ny BIT (Bureau international du travail) miara-miasa amin’ny minisiteran’ny asa sy ny lalana sosialy ary minisiteran’ny tanora, ny alavoly sy ny fanatanjahantena teo manoloanan’ny Lapan’ny tananan’ny Toamasina.
Nandritr’izay 5 taona niainan’ny Madagasikara tao anatin’ny krizy izay dia manodidina ny 400.000 ny tsy an’asa, manginy fotsiny ireo orinasa nikatona, tsy vitsy ihany koa ireo very asa.

Olana goavana eo amin’ny tanora ny tsy fananana asa amin’izao fotoana izao hany ka lasa mirenireny eny rehetra eny izy ireo,ny sasany aza moa araka ny fanadihadiana dia lasa voasarika amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ka lasa manaotao foana. Isany navoitra izany resaka izany tamin’ny fanaovana ity « salon régional de l’emploi et de la jeunesse» ity.

Dradradradraina foana fa ny tanora ny ho avin’ny firenena, matetika anefa ireo orinasa dia tsy mandray tanora vao nahavita fianarana fa tsy maintsy manana traikefa mandritran’ny 5 taona na 3 taona farafahakeliny vao raisin’ orinasa. Mba hanamaivanana izany olan’ny tanora izany indrindra no nanaovana ity « salon de l’emploi » ity, mba hahaizan’ny tanora misafidy ny lalam-piofanana arahiny ka tsy hampanahirana azy intsony amin’ny fitadiavana asa.
Nanambaran’ ny minisitry ny asa sy ny fampianarana ara-teknika, Atoa Horace Gatien ihany koa fa tsy tokony ho sakana intsony ny tsy fananan’ny tanora « expérience professionnel » raha toa ka efa nianatra mahakasika ilay asa izy. Niavaka kely moa ny fankalazana tamin’ity taona ity satria dia tena natokana ho an’ny tanora tokoa izy ity.

Ka toy izao ny vokatra sy isa azo tamin’izany:
- 270 tanora nahazo fihofanana momba ny famoronan’asa.
- 512 Tanora tonga nanao fangatahan’asa.
- 500 Tanora nametraka CV tamin’ireo orin’asa.
- 53 tanora nangataka anao fihofanana ara-kasa.
- 23 420 tanora nanao ny fitsidihana ny trano eva.
- 55 trano eva nandray anjara.
Naneho ny fisaorana ho an′ny rehetra ny mpikarakara amin′ny fahatratrarana ny tanjona.
Lantomalala S. - Prud′Homme R. : 02-05-2014 - 10:00
Noelin’Ankizy 2017
6èmeédition
Tontosa ny asabotsy faha 23 desambra ny hetsika izay karakarain’ny Radio Voanio, isan-taona, ny Noelin’Ankizy. Ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na EPP miisa enina no nandray anjara tamin’izany. Kilonga miisa 30 avy amin’ny kilasy GS na CP1 no naira-nidola, nihira sy nampiseho talenta.
JL : 28-12-2017 - 08:33... Lire la suite

 

Jeune Chambre International Toamasina
Nanolota ny asa vita tao amin’ny EPP Ambohijafy
Navaozin’ny JCI na ny Jeune Chambre International eto Toamasina indray ny tranom-pianarana 2 efitra etsy amin’ny EPP Ambohijafy, izay fanatsarana niharahan’izy ireo niaraka tamin’ ny ZAZASOA, izay fikambanan’ny mpianatra any Frantsa mpiara-miasa efa ela amin’ny JCI eto Toamasina. Efa nisy ny fanavaozana ny tranom-pianarana efitra roa ny taona 2016
R Prud'Homme : 12-07-2017 - 15:12... Lire la suite

 

Voix Talen’Est
1/2 Final
Lanonana roa sosona no notanterahina teto amin’ny Radio Voanio ny farany herinandro lasa teo, ny 23 desambra dia nankalaza ny noelin’ny ankizy, ny 24 desambra kosa dia mbola notanterahana tato amin’ny hefitrano malalaky ny Radio Voanio ny fifaninanan-kira Voix Talen’Est manasa-dalana.
Maro ireo mpijery no tonga, fa indrindra ireo nanotrona sy nanohana ireto...
Lantomalala : 26-12-2016 - 11:05... Lire la suite

 

Noelin’ny Ankizy 2016
Andian’ny faha dimy (5eme édition)
Notanterahana ny 23 desambra 2016 ny noelin’ny ankizy andiany faha dimy, izay hetsika karakarain’ny Radio Voanio, fanaiony isan-taona hoentina ampifalifaliana ireo ankizy.
Niavaka kely izy tamin’ity taona ity satria dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny sekolim-panjakana manana ireny préscolaire ireny izay miisa 6 teto Toamasina dia ny EPP La Foire, EPP Manangareza, EPP ZOTO, EPP Todivelo Raphael, EPP Analamboanio, EPP Maurice Guyot.

Nampiavaka ny noelin’ny Ankizy tamin’ity taona ity isantaona tokoa mantsy satria feno fifangaroan’ny ankizy avy amin’ny sekoly maro, izay noentina anatsarana ny fetin’ankizy sy mba hoentina anomezana ny fahafaham-pon’ny rehetra. Ankizy miisa 30 no niara-nidola, niara-nifaly, niara-nialahetaheta.
Lantomalala : 24-12-2016 - 08:45... Lire la suite

 

Nom de l'image