Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités

Login Password
Register Forgot Password?
Fifaninanana Bande dessinée
Ankizy 72 no nandray anjara
Notontontosaina ny faha 30 ny volana aprily 2014 tao amin’ny CEG Ratsimilaho ny fifaninanana Bande dessinée izay nokarakarany Plat forme DIO Rano WASH eto amin’ny faritra Atsinanana, araka ny nambaran’ny mpandrindram-paritra Docteur RAKOTO, ny tanjona dia ny fanehoana ny hafatra telo amin’ny fampiasana ny rano fisotro madio.

Eo ihany koa ny fanaovana sary mba hoentina hanaovana fanentana eo amin’ny Ray aman-dReny sy ny fiarahamonina ary ny mpitondra fanjakana. Fantatra ary fa ankizy 72 no nandray anjara, zay avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina eto Toamasina, ka salantaona 10 ka hatraminy 17 taona no afaka nanao izany.

Nilaza ireo ankizy nandray anjara fa zava-dehibe ny fahazaona ny rano fisotro madioa. Ireo ankizy nandray anjara dia samy manana nofinofy ho mpanao sary hosy doko malaza erantany ny ankabetsahan’izy ireo.
Prud′Homme RAKOTOSON : 03-05-2014 - 10:00
Fifidianana 2018
Hotomobana araka ny tokony ho izy ve?
Fifidianana io no lohahevitra niarahana tamin’ny fandaharana Miray Feo ho an’ny fiarahamonina mirindra tamin’ny onjam-peo Radio Voanio, FM 98.2, ka nanasana an’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tao Toamasina II Atoa Roilahy Jonah teo ihany koa Atoa Maro Roland, President Commission Electoral - Provincial de Toamasina, ary Rtoa Viviane Rahariniaina avy ao amin’ny Ino Maresaka Tamatave. Nafana ny adihevitra ny mpihaino ihany koa dia niezaka ny naneho ny heviny na tamin’ny alalan’ny 034 44 444 44 na tamin’ny fanehoan-kevitra tamin’ny facebook Voanio Toamasina
Lanto : 16-02-2018 - 09:20... Lire la suite

 

Noelin’Ankizy 2017
6èmeédition
Tontosa ny asabotsy faha 23 desambra ny hetsika izay karakarain’ny Radio Voanio, isan-taona, ny Noelin’Ankizy. Ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na EPP miisa enina no nandray anjara tamin’izany. Kilonga miisa 30 avy amin’ny kilasy GS na CP1 no naira-nidola, nihira sy nampiseho talenta.
JL : 28-12-2017 - 08:33... Lire la suite

 

Jeune Chambre International Toamasina
Nanolota ny asa vita tao amin’ny EPP Ambohijafy
Navaozin’ny JCI na ny Jeune Chambre International eto Toamasina indray ny tranom-pianarana 2 efitra etsy amin’ny EPP Ambohijafy, izay fanatsarana niharahan’izy ireo niaraka tamin’ ny ZAZASOA, izay fikambanan’ny mpianatra any Frantsa mpiara-miasa efa ela amin’ny JCI eto Toamasina. Efa nisy ny fanavaozana ny tranom-pianarana efitra roa ny taona 2016
R Prud'Homme : 12-07-2017 - 15:12... Lire la suite

 

Voix Talen’Est
1/2 Final
Lanonana roa sosona no notanterahina teto amin’ny Radio Voanio ny farany herinandro lasa teo, ny 23 desambra dia nankalaza ny noelin’ny ankizy, ny 24 desambra kosa dia mbola notanterahana tato amin’ny hefitrano malalaky ny Radio Voanio ny fifaninanan-kira Voix Talen’Est manasa-dalana.
Maro ireo mpijery no tonga, fa indrindra ireo nanotrona sy nanohana ireto...
Lantomalala : 26-12-2016 - 11:05... Lire la suite

 

Nom de l'image