Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Ireo harena voajanahary
  Ahoana no ahafahana miaro azy ireny mba tsy ho lany tamingana?
  Sarotra ny manao fanadihadina matetika rehefa ny fiarovana ny harena voajanahary no resahina indrindra moa fa ny mikaro-baovao momban’izany. Mba hahafahana manatanteraka ny asa ampahamendrehana, dia nisy ny fampiofanana mpanao gazety izay nokarakarain’ny Concervation Internatoinal eto Madagasikara, vatsian′ny USAID vola.

Nandritran’ny taona vitsivisty lasa izay dia hita fa gaboraraka ny fanondranana sy fanapotehana ny harena voajanahary. Manoloana izany tranga izany dia nanome fiofanana ny mpanao gazety mpikaroka ny vaovao mahakasika ny tontolo manodidina sy ny trangam-piarahamonina ny Conservation International, mba hanamafisana ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety ireo.

Mizara roa ny fiofanana ka ny adiany voalohany dia mifantoka amin’ny fahamendrehana sy fanajana ny fenitrin’ ny asa fanaovangazety izay notarihin’i RASAMOELINA Louis, mpampihofana natao ny erinandro roa nifanesy dia ny 14 aprily ka hatramin’ny 23 aprily lasa teo iny, izay nandraisan’ny mpanaogaety avy eny amin’ny faritra maro.

Fantatra ihany koa fa teratany vahiny manampahaizana amin’ny fanadihadina manokana momban’ny tontolo iainana no hiandraikitra ny fiofanana andiany faharoa izay ho tontosaina amin’ity volana may ity.
 
(33) Lantomalala SAHONDRANIRINA : 02-05-2014 - 18:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image