Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fiaraha-miasan’ny Commune Urbaine Toamasina sy any ivelany
  Nandray vahiny avy any Nigbo, any Chine ny C.U Toamasina
  Mitohy indray ny fiarahamiasa eo amin’ny tananan’ny Nigbo, any chine sy ny Commune Urbaine Toamasina. Noamafisana izany tamin’alalan’ny fitsidihanan’ ireo delegationina avy any Nigbo , izay notarihin’ny Atoa WU Hemin “Vice president du Comité Permanent de l’Assemblée Populaire Municipale de Ningbo” sy ireo mpiaradia aminy, teto Toamasina tamin’ny 14 martsa 2014 lasa iny, tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny, ka noraisin’ny filohan’ny Delegationina tananan’ny toamasina na PDS.

Eo amin`ny sehatra ara-barotra, toe-karena, fampianarana ambony sy ny kolotsaina no tena mampifandray izy roa tonta. Raha araka ny tatitra izay nataon’ny PDS eto Toamasina, Atoa Toile RAZAFINDRABARY, efa 3 ny isan’ny mpianatra izay efa nahazo vatsi-pianarana makany Chine tamin`ny taona 2012 ary niakatra ho 8 izany amin`ny taona ity. Efa intelo nandefa mpanankanto avy eto Toamasina ihany koa ny etsy ankilany, mba fampisehoana sy fampizarana traikefa eo amin’ny kolotsaina.

Nisy ihany koa ny fitsidihana ny seranantsambon’ny Toamasina natan′izy ireo, izany noraisin’ny Tale jeneralin’ny Seranantsambon’ny Toamasina,ary nitohy ny resadresaka zay noravahan′ny zavankanto mampiavaka ny Toamasina, tao amin`ny Bateau Yvre, zay natolotron’ny mpanao vakodrazana maro eto Toamasina, sady mba nahafan’ny rehetra nifanerasera fa indrindra tamin’ireo mpandraharaha avy eto Antoerana.

Voaresaka tamin’izany fa hisy ny fanorenana ny fotondrafitrasa ahafahana mampandroso ny tananan’ny Toamasina sy ny mponina ao aminy. Ho tohizana sy hatsaraina ihany koa ny fifanakalozana ara-barotra ho an’ny mpandraharaha sy ny fifanakalozana ara-javakanto eto Toamasina.
Ireo fiarahamiasa rehetra ireo dia miatomboka amin`ny ity taona 2014 ity avokoa, araka ny resaka nataon’ny PDS avy eto Toamasina.
 
(34) Anderson RAVO : 17-03-2014 - 10:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image