Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Tonga hatreny amin’ny Hopitaly ny mpangalatra sy mpandrava
  Nohamafisina ny fanarahamaso ao amin’ny Hopitaly ben’ny Toamasina
  Niroso amin`ny fandaminana vaovao ny mpiasa ao amin’ny Hopitaly ben’ny Toamasina, mahakasika ny tsy fahandriapalemana.
Tato ato izay mantsy dia miha-mirongatra ny asa ratsy izay hataon’ireo tsimatahotody ao amin’ny Hopitaly be, ao ny mpangalatra fitaovana izay ampiasain’ny Hopitaly, ao ihany koa ny mpanendaka sy mpangalatra moto, sns.
Araka ny resaka nataon’ny Dr Bezandry, tomponandraikitra ao amin’ny Hopitaly dia efa tsy tery lalana ireo mpangalatra, ka efa miditra aty amin’ny toeram-pitsaboam-bahoaka zareo manao ny asa ratsiny.

Nambarany ihany koa fa efa maro ireo fitaovana very, betsaka koa ny fitarainan’ireo olona tonga mitsabo tena amin’ny fanendahana sy herisetra ary halatra mahazo izy ireo. Fantara mantsy fa manodidina 50 isan’andro ny marary tonga mitsabo tena ao amin’ny Hopital be.
Nisy ny dinidinika nifanaovan’ny tomponan’adraikitra, satria sarotra ny fanarahamaso an’ireo mpivezivezy ao anatin’ny Hopitaly, eo ny mitondra marary, ny fivezivezena amin’ny fividianam-panafody, fanadiovana ireo fitavana ampiasaina, sns hany ka misy manararaotra. Handeha hamangy, ndehividy fanafody, hanatitra sakafon’ny marary, sns, ireo no fika ampiasain’ireo tsy hatahotody hanaovana ny asa ratsiny.

Nandray fepetra ny tomponan’andraikitra ao amin’ ny Hopitaly ben’ny Toamasina, ka ferana ny fivezivezena ao anatin’ity Hopitaly ity.

Ny ora famangina dia:

- Maraina: 5ora hatramin`ny 7 ora maraina
- Atoandro: 12ora hatramin`ny 2ora tolakandro
- Ariva : 5ora hatramin’ny 7ora Alina

Ny mitondra marary

- Niferana ho olona iray, 13 tanao raha kely indrindra no miaraka aminy na manao mpiambina (garde malade), satria manana mpanaramaso ny marary ihany koa ny ao amin’ny Hopitaly be.
- Tsy maintsy atao ny mitondra carnet-n’ilay olona tsaboina ny mpiambina amin’ny fivezivezene rehetra atao amin’ny fitsaboana ao Hopital, amin’ny fivoahana na fidirana ao amin’ny Hopitaly.


Fidirana sy fivoahana

- Noamafisina ihany koa eo amin’ny fihambesana ny vavahady amin’elalan’ny fametrahana mpiambina maromaro, hanaramaso ny miditra sy ny mivoaka.
Napetra ireo rehetra ireo mba hiarovana ireo tonga hitsabo tena eto amin’ny Hopital ben’ny Toamasina hoy ihany ny tompon’andraikitra Dr Bezandry.
 
(40) Anderson RAVO : 09-05-2014 - 09:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image