Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Hetsika ara-kolotsaina
  Andiany faharoa amin’ny fampirantiana ny horonantsarimetsika
  Nandritra ny herinandro ny andiany faharoa amin’ny fampirantiana ny horonantsarimetsika mitahiry hevitra eto anivon’ny Ranomasim-be Indianina “les 2ème rencontres du film de documentaire de l’Océan Indien à Tamatave”

Nisy mpandray anjara teratany vahiny sy Malagasy izay nahitana mpamokatra sy mpanatontosa horonantsarimihetsika ka niompana indrindra tamin’ny tantara sy ny zava-misy niainana teto Madagasikara ny vokatra naseho.

Miisa 17 fampirantiana natao manerana ny fokontany sy ny toeram-pianarana sasany teto Toamasina. “Nahatratra 2000 ny mpanatrika tamin’ity andiany farany ity raha toa ka 500 izany tamin’ny taona lasa”,hoy Andriamatoa Yvan Fabius Soufaly, mpanatontosa horonantsarimihetsika mitahiry hevitra. Nisy ihany koa ny dimy herinandro izay nampihofanana ireo mpikirakira sarimihetsika.

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Region Haut/Basse Normandie ary ny Region Ronhalpe sy ny Faritra Atsinanana no nahatontosana izao hetsika izao.
 
(43) Erino RAZAFIMANANA : 12-05-2014 - 18:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image