Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Tsy fandriampahalemana eto Toamasina
  Fanafihana mitam-piadiana misesy 12-13 mai
  Tao anatin’izany i Rasta, ny talata 13 mai, jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina. Nisy ary ny fifandonan’izy ireo tamin’ny mpitandro filaminana tao Bazary kely ka tapitra tamin’izany ny ain’i Rasta sy ny fanaovana asa ratsiny, saika hanohitra kanjo voatifitry; rehefa avy nandroba tranombarotra tao Ankirihiry ity jiolahy ity sy ny namany.
Efa ela nikarohana ity jiolahy ity ary efa maro ny fanafihana mitam-piadiana nataony sy ny namany mialoha izao nahafaty azy izao, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy.

Tsy mandry fahalemana intsony ny eto Toamasina amin’izao


Ny Alatsinainy, 12 mai 2014, fanafihana mitam-piadiana miisa telo no indray niseho tao anatin’ny iray andro. Voalohany tamin’izany, lasibatry ny jiolahy ny tranombarotra lehibe iray tetsy Bazaribe ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny lelavola mitentina 100 000 000 Ariary. Voalazan’ireo niharam-boina fa jiolahy miisa efatra nitondra basy P.A sy Kalachnikov no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Tsy nanampo rahateo ireo niharan’ny fanafihana fa nihevitra ireo jiolahy ho mpividy entana tamin’io fotoana io. Ny basy efa nirangaranga no nampikoropaka ny olona tao amin’ilay fivarotana.

Mbola andron’ny alatsinainy, 12 mai ihany, mpivarotra fahana finday tao Tanambao V no nidiran’ny jiolahy nirongo basy an-keriny ihany koa. Vola mitentina 600 000 Ariary no lasan’izy ireo nandritra ny fanafihana.

Ary ny hariva tokony ho tamin’ny 6 ora, tranombarotra tao Tanamakoa no norobain’ny jiolahy nitondra basy. Vola 1 200 000 Ariary indray no lasan’izy ireo.
Mitovy ny paika fanafihan’ireo jiolahy, rah any filazan’ireo niharam-boina tamin’ireo tranombarotra voatafika: misy mandrahona amin’ny basy, ary mandraoka ny entana sy ny volabe ao amin’ny fitoerany ny sasany, ary nandositra tamin’ny môtô ireo jiolahy rehefa avy nanatanteraka ny asa ratsiny.

Velon-taraina ary anisan’ny mampikaikaika ny mponina eto Toamasina ity resaka tsy fandriampahalemana ity. Misy ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana eto an-toerana amin’ny famongorana ireo jiolahy, saingy vao mainka mihamitombo hatrany izy ireo. Ahina ho faritra mena ity renivohitra ara-ekônômika eto Mdagasikara ity raha tsy voafehy ao anatin’ny fotoana fohy ny tsy fandriampahalemana.

Kidnapping, fanolanana, vonoan’olona, fanafihana mitam-piadiana, fitsaram-bahoaka… izany no mampalaza ity renivohitry Betsimisaraka ity. Manginy fotsiny ireo sahona misy poizina “radaka voay” manampy trotraka ny fahasahiranam-bahoaka izay iaraha-mahita.
 
(44) Erino RAZAFIMANANA : 15-05-2014 - 08:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image