Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Mandalo fotoan-tsarotra ny Lycée Jacques RABEMANANJARA
  Anesorana 500 ny isan’ireo mpianatra raisina amin’ny taom-pianarana 2014-2015
  Anesorana 500 ny isan’ireo mpianatra raisina hiditra amin’ny taona faharoa na Classe de Seconde ao amin’ny Lycée Jacques RABEMANJARA @ fidirana taom-pianarana 2014-2015 raha toa ka tsy vita mialohan’ny fidiran’ny mpianatra ny fanarenana ireo hefitrano simba tanteraka amin’ ity Lycée ity.

Hefitrano miisa 6 no efa tsy azo ampiasaina intsony ao amin’ny Lycée Jacques RABEMANANJARA ary miafara amin’ny fandaozana tanteraka ny Batiment GF izany rehefa ankatoky ny fikijan’ny orana misesy. Manano sarotra araka izany ny fandraisana ireo mpianatra miisa 3100 amin’ny hefitrano 56.

Ka velon-taraina ny mpandraharahan’ny sekoly izay tarihin’ny Proviseur Atoa BABITY Phidelis. Ka misy araka izany ny hetsika fampahafantarana ny zava-misy hiainan’ny sekoly eo amin’ny lafiny fahasimban’ny fotodrafitr’asa eo ampelatanany.

Mpianatra miisa 1000 isan-taona no raisin’ity sekolim-panjakana, lycée tokona eto Toamasina-I ity ka voatery hanenona hatrami’ny 500 ny ankizy ho raisina amin’ny taom-pianarana hoavy 2014-2015 raha toa ka tsy vita mialohan’ny fidiranan’ny mpianatra ny fanarenana ireo hefitrano simba ireo.

Manoloana izany dia nihetsika avy hatrany ny fikambanan’ny maintimolalin’ny Lycée Jacques RABEMANANJARA, izay mivondrona ao amin’ny Amis de Lycée Jacques RABEMANANJARA , tarihin’ Atoa Princi RAZAFINDRALAMBO, amin’ny fanoloana ireo hazo efa boboka sy fanarenana ny tafo amin’ny efitra 2 amin’ny efitra 6 simba.
 
(45) Erino RAZAFIMANANA : 23-05-2014 - 15:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image