Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fanatsarana ny Renivohitra ara-toekarena
  Haremina tanteraka ny lalana mirefy 3KM
  Natomboka ny talata 20 Mey ny asa fanamboara-dalana eto Toamasina, fanarenana ny lalana Michel Mahazo ao Morafeno izay miainga avy eo amin’ny Pont District na Pont Tanamakoa ka hatreny amin’ny Biraon’y Firaisana Ankirihiry.
Nidina ifotony nijery imaso ny fanombohana ny fanamboaran-dalana ny Minisitrin’ny asa vaventy Atoa Roland RATSIRAKA, lehiben’ny faritra Atsinanana Atoa TALATA Michel sy ireo manampahefana maro eto Toamasina. Tafiditra anaty politikan’ny fitondrana ankehitriny ny asa fanarenana ny lalana rehetra eto amin’ny firenena ka isan’izany ny eto antapotananan’ny Toamasina.
Maro ny ampahan-dalana ho asiam-panamboarana eto amin’ny renivohitra ara-toekarena ka tafiditra amin’izany ireo lalana tena efa simba na ny points noirs, izany mirefy 3 KM izay haremina tanteraka, vola mitentina 4 miliara Ariary avy amin’ny fanjakana Malagasy no ampiasaina amin’izany ka ny orinasa COLAS no hanatanteraka ny asa.
Misy ihany koa fanampenan-davaka ny miainga avy amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy mipaka hatranyTanamakoa.

Misy ny fepetra noraisina mba hampateza ny lalana toy ny tsy fahazahoan’ny Camion mivezivezy amin’ny andro antoandro eto antapotanana.
 
(47) Erino RAZAFIMANANA : 21-05-2014 - 17:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image