Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Cinema XD eto Toamasina
  Fampisehoana horonan-tsary iainana
  Rehefa nisokafana tany moramanga ny ″cinema mobile XD″ nandritry ny fito andro dia anjarany vahoakan’ ny Toamasina indray ny 4 hatramin’ny 30 jona izao, izay karakarain’ny ciné mobile.
Nisokafana tamin`ny fomba ofisialy izany ny andron’ny alarobia 4 jona 2014, maraina, teo manoloana ny lapan’ny Tanana, natrehan’ny olom-pajankana teto antoerana.

Sambasamba ity cinema XD ity raha teto Toamasina manokana. Ny tena mampiavaka ity fijerena horonan-tsary ity dia ny fahatsapan’ireo mpijery ny fiainan’ny sary mihetsika sy fahatsapana fa mihatra amin’ny tenan’ny mpijery ny horonan-tsary.
Saika mahatsapa ny zava-misy avokoa ireo taova dimy misy amin’olom-belona, ohatra, ny maso mahita ny zava-misy, ny sofina maheno feo, ny hoditra mahatsapa ny hafanana, ny hatsiaka sy ny hamandoana, ny orona maheno fofona misy anaty horonan-tsary, hany ka ohatran’ny tafiditra ao anatin’ny horonan-tsary sy iharan’ny zava-misy mihitsy ny mpijery.

Ao anatina fiara lehibe, izay efa voatokana amin’izany ka hita ao avokoa ireo kojakoja mifanaraka amin’izany toy ny fihetsehan’ny toerana fipetrahana, ary manao solomaso voatokana manokana no hijerena ny horonan-tsary. Miisa roa ny fiara lehibe, ary samy mahazaka mpijery sivy ny tsirairay.
Tsy maharitra toy ny mijery horonan-tsary rehetra ny mijery an’ity cinema XD ity, 5 ka hatramin’ny 10 minitra monja, mba ho fisorohana ny zavatra mety ateraky ny fijerena azy, araka ny fanazavan’ny mpikarakara.

Tsy manavaka sokajin’olona fa afaka mijery avokoa ny olona rehetra na ny ankizy na ny lehibe, ka 6 000 Ariary ny tapakila fijerevana ary tsy andoavam-bola ny zaza latsaky ny 4 taona.
Mahafinaritra ny olona ny mijery horonan-tsary toy itony indrindra ny tanora fa tsara raha fantarina mialoha ny toe-pahasalamana sy fahavononana hijery izany mba ho fisorohana ny loza mety hitranga ateraky ny fihetseham-po.
 
(49) Anderson RAVO : 05-06-2014 - 10:50

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image