Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fanafihana tao Andranomadio
  Tovolahy iray 25 taona no maty voatifitra, sonoa maty novonoin’ny mpiasany
  Niverina indray ireo fikambanan’olon-dratsy manao ny hasa ratsiny ao amin’ny fokotany Andranomadio. Vatan-dehilahy matanjaka miisa 20 sy vehivavy 3 no mandrafitra ity andian’olona mprandrava ity. Araka ny loharanom-baovao voaray ihany dia mirongo basy izy ireo toy ny PA sy ny kalachnikov ary antsy maranitra. Ny mpivarotra no fantatra tena lasibatra amin’ny fanafihana atan’izy ireo, izay tsy voafaritra intsony na ny antondro na ny alina dia mitebiteby lava ny mponina izay tsy any amin’ny Toamasina II any intsony fa hatramin’ny Toamasina I.

Nidrangan’ny fanafihan’ireo jolahy mirongo fitavampiadiana mahery vaika, ny alin’ny talata, 3 jona 2014, tao amin’ny fokotany 11/43 Andranomandio C3 ka tokatranon’ny mpivarotra iray no nidiran’ireto farany ankeriny ka nafoy tamin’izany ny vola be antapitrisa maro sy ny ainan’ny tovolahy iray izay vao 25 taona monja.

Nitrangan’ny vono olona ihany koa teo amin’ny Trano be iray, ampitan’ny Restaurant baobab, ankaikin’ny hopitaly kely, mbola ny alin’ny talata ihany, tokony tamin’ny 7 ora alina. Maty tamin’izany lehilahy sonoa iray, izay voalaza fa tompon’ny trano lehibe ampitan’ny hopitaly kely. Araka ny loharanom-baovao voaray ihany dia mpiasa roa lahy tao amin’ity trano ity no fantatra fa namono io tompotrano io. Tsy mbola nahazahoana vaovao makasika ny raharaha ny mpitandro filaminana, voalaza fa mbola eo ankatokin’ny fanadihadiana izy ireo amin’izao, ka andrasana arak’izany ny valan-dresaka ataon’ny mpitandro filaminana sy ny fepetra izay ho raisin’ny fitodram-panjakana.
 
(50) Erino RAZAFIMANANA : 04-06-2014 - 18:50

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image