Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Vono olona etsy sy eroa, zava-misy Toamasina
  Mpampiasa sinoa iray maty novonoin’ny mpiasany
  Mihorohoro ny mponina eto Toamasina vokatry ny asan-jiolahy sy ny vono olona etsy sy eroa.
Teratany sinoa iray indray tokony ho 70 taona eo ho eo no maty notsindromina tamin’ny vy maranitra ary avy eo dia nototofana simenitra ny arivan’ny talata 3 jona 2014 lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora ariva teo ho eo no nitrangan’izany, teny amin’ny lalana boulevard de l’OUA akaikin’ny hopitaly kely iny.
Araka ny fanazavana azo tamin’ny Commissaire divisionnaire Atoa RAMILISON Célestin dia, mpiasa niasa tao amin’ity teratany sinoa ity ihany no nahavanon-doza dia tsy iza fa i Alexis sy i Georges.
Azo lazaina ihany koa fa tena mbola tanora vao erotrerony satria vao 18 taona monja ny iray amin’izy roa lahy ireto, efa eo ampelatanan’ny mpitandro ny filaminana tanteraka moa ny raharaha amin’izao fotoana izao ka tsy maintsy atolotra ny fampanoavana izao raharaha maloto izao.
 
(52) Marcelline V. - Lantomalala S. : 05-06-2014 - 18:50

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image